Lalim-pahendrena Izy sady mahery tsy hay tohaina, koa iza no hanohitra Azy ka ho afa-maina?
Eksodosy 9:7 - DIEM PROTESTANTA Dia mamotopototra ny Farao, ka fantany fa tsy nisy maty tao amin’ny biby fiompin’ny Israelita na dia iray aza. Kanefa mbola nanamafy fo ihany ny Farao, ka tsy nandefa ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandefa iraka hijery izany i Farao ka indro, tsy mba nisy nahafatesana ny bibin’ny Zanak’Israely na dia iray aza. Nefa nihamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny olona handeha izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia mamotopototra ny Farao, ka fantany fa tsy nisy maty tao amin’ny biby fiompin’ny Israelita na dia iray aza. Kanefa mbola nanamafy fo ihany ny Farao, ka tsy nandefa ny Israelita. Baiboly Katolika Nampamototra i Faraôna ka tsy nisy maty tokoa ny bibin’ny zanak’i Israely, na dia iray aza. Nefa nihamafy ny fon’i Faraôna ka tsy nalefany handeha ny vahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin’ny Zanak’Isiraely na dia iray akory aza. Nefa nihamafy ny fon’i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy. Malagasy Bible Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin'ny Zanak'Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy. La Bible en Malgache Dia nandefa iraka hijery izany i Farao ka indro, tsy mba nisy nahafatesana ny bibin’ny Zanak’Israely na dia iray aza. Nefa nihamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny olona handeha izy. |
Lalim-pahendrena Izy sady mahery tsy hay tohaina, koa iza no hanohitra Azy ka ho afa-maina?
Kanefa fantatro fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta raha tsy terem-pahefana mahery.
Kanefa nihamafy fo ny Farao ka tsy nihaino an’i Mosesy sy i Aharôna araka izay efa nolazain’ny TOMPO rahateo.
Ary ny TOMPO nanamafy ny fon’ny Farao; koa arak’izay efa nambaran’ny TOMPO tamin’i Mosesy, dia tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna izy.
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna: –Makà molaly eran’ny tanan-droanareo avy ao an-dafaoro, dia aoka hatsipin’i Mosesy savoan-danitra eo anatrehan’ny Farao izany.
Saingy fantatro fa maditra ianareo; miridiridy toy ny hoza-by ny hatokareo ary mafy toy ny varahina ny handrinareo.
Kanjo nony niavonavona ny fony ary feno fireharehana ny fanahiny, dia naongana teo amin’ny seza fiandrianany izy ary nesorina taminy ny voninahiny.
Koa izay tian’Andriamanitra hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafisina fo no hamafisiny fo.