Eksodosy 9:20 - DIEM PROTESTANTA Ny sasany tamin’ireo tandapan’ny Farao dia natahotra ny tenin’ny TOMPO ka nampialoka ny mpiasany sy ny biby fiompiny tany an-trano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary izay natahotra ny tenin’NY TOMPO teo amin’ny mpanompon’i Farao dia nampandositra haingana ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny sasany tamin’ireo tandapan’ny Farao dia natahotra ny tenin’ny TOMPO ka nampialoka ny mpiasany sy ny biby fiompiny tany an-trano. Baiboly Katolika Ka izay natahotra ny tenin’i Iaveh, teo amin’ny mpanompon’i Faraôna, dia nampiditra an-trano ny mpanompony mbamin’ny bibiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izay natahotra ny tenin’i Jehovah teo amin’ny mpanompon’i Farao dia nampody ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano; Malagasy Bible Ary izay natahotra ny tenin'i Jehovah teo amin'ny mpanompon'i Farao dia nampody ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano; La Bible en Malgache Ary izay natahotra ny tenin’NY TOMPO teo amin’ny mpanompon’i Farao dia nampandositra haingana ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano; |
Ny sasany kosa tsy niraharaha ny tenin’ny TOMPO, ka namela ny mpiasany sy ny biby fiompy teny an-tsaha ihany.
Nony ampitso dia notanterahin’ny TOMPO izay efa nambarany, ka maty avokoa ny biby fiompin’ny Ejiptianina; fa ny an’ny Israelita kosa dia tsy nisy maty na iray aza.
Aleo mahazo fahendrena toy izay mahazo volamena, ary aleo mahazo fahaiza-manavaka toy izay volafotsy.
Finoana no nanoavan’i Noà tamim-panajana, fony izy notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zava-hitranga tsy mbola hita; dia nandrafitra sambofiara i Noà hamonjena ny tenany sy ny ankohonany. Izany no nanamelohan’i Noà an’izao tontolo izao, fa nahatonga azy kosa handray ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoany.