Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 8:24 - DIEM PROTESTANTA

Koa niteny indray ny Farao hoe: –Eny àry, halefako handeha hanao sorona amin’ny TOMPO Andriamanitrareo any an-taniefitra ianareo. Kanefa aza mandeha lavitra loatra ianareo, ary mivavaha ho ahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy i Farao: Havelako handeha ihany ianareo mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitrareo any an-tany efitra; kanefa izao: Aza mandeha lavitra loatra ianareo, ary mifonà ho ahy!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa niteny indray ny Farao hoe: –Eny àry, halefako handeha hanao sorona amin’ny TOMPO Andriamanitrareo any an-taniefitra ianareo. Kanefa aza mandeha lavitra loatra ianareo, ary mivavaha ho ahy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia hoy i Faraôna: «Halefako handeha ihany ianareo, hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitrareo, any an’efitra, nefa aza lasan-davitra loatra ianareo amin’izany fandehananareo izany. Ary manaova fivavahana ho ahy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra hianareo; dia mangataha ho ahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho ahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy i Farao: Havelako handeha ihany ianareo mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitrareo any an-tany efitra; kanefa izao: Aza mandeha lavitra loatra ianareo, ary mifonà ho ahy!

Jereo ny toko



Eksodosy 8:24
6 Rohy Ifampitohizana  

Niteny Andriamanitra, dia tonga ny fihitra sy moka nihanaka tamin’ny faritany manontolo.


nalefany hitsentsitra azy ireo ny fihitra ary hanimba zavatra ny sahona;


Mba nanao toy izany tamin’ny fitokavany koa ireo mpimasy handroaka ny moka, kanefa tsy nahomby, fa mbola nisy moka ihany teny amin’ny olona sy ny biby fiompy.


Nampiantso an’i Mosesy sy i Aharôna ny Farao ka niteny hoe: –Mandehana manatitra sorona amin’ny Andriamanitrareo, kanefa eto amin’ny tany ihany!


Fa handeha lalana telo andro any an-taniefitra izahay, ka any izahay no hanao sorona amin’ny TOMPO Andriamanitray araka izay hotondroiny aminay.


Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Aharôna ny Farao ka nanao taminy hoe: –Mangataha amin’ny TOMPO mba hanesorany ny sahona amiko, dia halefako hanao sorona aminy ny Israelita.