Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 8:11 - DIEM PROTESTANTA

Nony hitan’ny Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy fo izy araka izay efa nolazain’ny TOMPO, ka tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony hitan’i Farao anefa fa nisy hiainana dia nanamafy ny fony indray izy ka tsy nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain’NY TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nony hitan’ny Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy fo izy araka izay efa nolazain’ny TOMPO, ka tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony hitan’i Faraôna anefa fa tsy nisy hiainana dia nohamafisiny ny fony, ka tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny efa voalazan’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa nony hitan’i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa nony hitan'i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony hitan’i Farao anefa fa nisy hiainana dia nanamafy ny fony indray izy ka tsy nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain’NY TOMPO.

Jereo ny toko



Eksodosy 8:11
7 Rohy Ifampitohizana  

Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Diniho fa efa nataoko eo am-pelatananao ireo zava-mahagaga isan-karazany. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia ataovy eo anatrehan’ny Farao ireny; Izaho kosa hanamafy ny fony ka tsy handefa ny Israelita izy.


Kanefa nihamafy fo ny Farao ka tsy nihaino an’i Mosesy sy i Aharôna araka izay efa nolazain’ny TOMPO rahateo.


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mafy fo ny Farao ka tsy mety mandefa ny Israelita.


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Asaovy ahinjitr’i Aharôna ny tehiny hikapohany ny vovo-tany dia ho tonga moka ao amin’ny tany Ejipta manontolo izany.


Dia notanterahin’izy mirahalahy izany: nahinjitr’i Aharôna ny tanany ka nokapohiny tamin’ny tehiny ny vovo-tany; dia nisy moka nandrakotra ny olona sy ny biby fiompy. Ny vovo-tany rehetra dia tonga moka manerana ny tany Ejipta manontolo.


Mba nanao toy izany tamin’ny fankatoavany koa ireo mpimasy: nampiakariny ho amin’ny tany Ejipta koa ny sahona.


ka notanterahin’ny TOMPO izay nangatahin’i Mosesy: maty ireo sahona tao an-trano sy teny an-tokotany ary tany an-tsaha.