Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 7:1 - DIEM PROTESTANTA

Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Jereonao fa omeko fahefàn’Andriamanitra ianao manoloana ny Farao; ary i Aharôna rahalahinao kosa dia mpitondrateninao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Jereo, efa nataoko andriamanitra ho an’i Farao ianao; ary i Arona rahalahinao kosa dia ho mpaminaninao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Jereonao fa omeko fahefàn’Andriamanitra ianao manoloana ny Farao; ary i Aharôna rahalahinao kosa dia mpitondrateninao.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro ianao efa nataoko ho andriamanitra eo imason’i Faraôna, ary i Aarôna rahalahinao no ho mpaminaninao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an’i Farao hianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an'i Farao ianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Jereo, efa nataoko andriamanitra ho an’i Farao ianao; ary i Arona rahalahinao kosa dia ho mpaminaninao.

Jereo ny toko



Eksodosy 7:1
11 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy ilay anjely anankiray hoe: –Eny àry, fa efa nekeko koa ny fangatahanao ka tsy hokasihiko ny tanàna izay voalazanao.


Dia noraisin’i Elià ny zaza ka nentiny nidina ho ao amin’ny efitra ambany ary natolony an-dreniny sady nataony hoe: –Indro fa velona ny zanakao!


Novorin’i Elisà tao an-tranony tamin’izay ny loholon’ny tanàna, ary naniraka olona hankeo aminy kosa ny mpanjaka. Kanjo raha tsy mbola tonga akory ilay iraka, dia hoy i Elisà tamin’ny loholona: –Jereonareo fa naniraka olona hanapaka ny lohako ilay mpamono olona iny. Koa mitandrema ianareo fa raha avy ilay iraka, dia hidio ny varavarana ary aza avela hiditra izy. Tsy efa renareo koa ve ny famindran’ny tompony izay manara-dia azy?


Tany Ejipta, tao amin’ny faritr’i Tsôhàna, teo anatrehan’ireo razany mihitsy no nanaovan’Andriamanitra zava-mahagaga:


Andriamanitra ianareo, hoy Aho fahiny; ankohonan’ilay Avo Indrindra ianareo rehetra.


Fantaro tsara fa ny nanomezako anareo ny sabata dia ny mba hitsaharanareo. Izany no antony anomezako mofo sahaza ny indroa andro amin’ny andro fahenina; ka amin’ny andro fahafito dia samia mitoetra ao an-tranony avy, fa aoka tsy hisy olona hiala tao.


Raha misy zavatra lazaina hoe: «Jereo fa zava-baovao ity!», dia izay efa nisy ela talohantsika ihany izany.


Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin’ireo firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanorina sy hamboly.


Hofaiziko anefa ny firenena hanandevo azy; aorian’izany no hialan’ny taranakao avy any ka hanompoany Ahy eto amin’ity toerana ity.»