Dia nanendry lehiben’ny asa fanompoana ny Ejiptianina mba hampikoy ny Israelita amin’ny asa mafy. Koa nanangana ny tanàna Pitôma sy Rahamsesa ny Israelita mba ho fitahirizam-bokatra ho an’ny Farao.
Eksodosy 5:4 - DIEM PROTESTANTA Fa hoy ny mpanjakan’i Ejipta taminy: –O ry Mosesy sy i Aharôna, nahoana ianareo no manaketraka ny vahoaka israelita amin’ny asany? Mandehana ianareo mankany amin’ny asa fanompoanareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy ny mpanjakan’i Ejipta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy i Arona, no manakivy ny olona amin’ny asany? Mandehana any amin’ny asa fanompoanareo! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy ny mpanjakan’i Ejipta taminy: –O ry Mosesy sy i Aharôna, nahoana ianareo no manaketraka ny vahoaka israelita amin’ny asany? Mandehana ianareo mankany amin’ny asa fanompoanareo. Baiboly Katolika Fa hoy ny mpanjakan’i Ejipta tamin’izy ireo: «Nahoana ianareo, ry Môizy sy Aarôna, no mandrebireby ny vahoaka tsy hanao ny asany? Mandehana mankany amin’ny fanompoanareo.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy ny mpanjakan’i Egypta taminy: Nahoana hianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin’ny asany? mandehana any amin’ny fanompoanareo mafy. Malagasy Bible Ary hoy ny mpanjakan'i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin'ny asany? mandehana any amin'ny fanompoanareo mafy. La Bible en Malgache Dia hoy ny mpanjakan’i Ejipta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy i Arona, no manakivy ny olona amin’ny asany? Mandehana any amin’ny asa fanompoanareo! |
Dia nanendry lehiben’ny asa fanompoana ny Ejiptianina mba hampikoy ny Israelita amin’ny asa mafy. Koa nanangana ny tanàna Pitôma sy Rahamsesa ny Israelita mba ho fitahirizam-bokatra ho an’ny Farao.
Indray andro, nony efa lehibe i Mosesy, dia niainga nankany amin’ireo mpiray firenena aminy ka nahita azy tao anatin’ny fanompoana mafy. Hitany fa nisy lehilahy ejiptianina iray nikapoka Hebreo iray isan’ny mpiray firenena aminy.
Efa reko ny fitarainan’ny Israelita amin’ny asa fanandevozana ampanaovin’ny Ejiptianina azy; koa nahatsiaro ny fanekempihavanako Aho.
Rehefa nandre izany ireo manamboninahitra ireo, dia niteny tamin’i Tsedekià mpanjaka hoe: –Takînay ny hamonoana ho faty an’i Jeremià, satria manakivy tanteraka ny miaramila sy ny mponina sisa ao an-tanàna izy. Tsy mba mitady izay hahatsara ny vahoaka io lehilahy io fa ny hanampy trotraka ihany.
Ary i Amatsià, mpisorona tao Betela, dia naniraka hilaza amin’i Jerôbohama mpanjakan’i Israely hoe: «I Hamôsa efa nikotrika fikomiana taminao teo anivon’ny vahoakan’i Israely; tsy zakan’ny tany intsony ireo kabariny rehetra.
ary nanomboka niampanga Azy nanao hoe: –Ity olona ity hitanay manakorontana ny firenenay sy mandrara tsy handoa hetra amin’ny amperôra rômanina ary mihambo ny tenany ho Mesia mpanjaka.
Tsikaritray fa mampidi-doza mihitsy io lehilahy io: mpampikorontana ny Jiosy any am-pielezana izy sady mitarika ny antoko Nazareanina.