Tsy omena mololo izahay kanefa asaina manao biriky ihany. Ary jereo fa nokapohina izahay mpanomponao, ka heloky ny vahoakanao izao!
Eksodosy 5:17 - DIEM PROTESTANTA Fa novalian’ny Farao hoe: –Olona tena kamo mihitsy ianareo! Izany no antony nilazanareo hoe: «Handeha hanao sorona ho an’ny TOMPO izahay.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy i Farao: Olona kamo ianareo, olona kamo! Koa izany no itenenanareo hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa novalian’ny Farao hoe: –Olona tena kamo mihitsy ianareo! Izany no antony nilazanareo hoe: «Handeha hanao sorona ho an’ny TOMPO izahay.» Baiboly Katolika Fa hoy kosa i Faraôna: «Olona kamo ianareo; olona kamo! Ka izany no ilazanareo hoe: Maniry ta-handeha hanolotra sorona amin’i Iaveh izahay. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Farao: Malaina dia malaina hianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah. Malagasy Bible Fa hoy Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah. La Bible en Malgache Fa hoy i Farao: Olona kamo ianareo, olona kamo! Koa izany no itenenanareo hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO! |
Tsy omena mololo izahay kanefa asaina manao biriky ihany. Ary jereo fa nokapohina izahay mpanomponao, ka heloky ny vahoakanao izao!
Koa ankehitriny, ndeha miasa fa tsy homena mololo intsony ianareo, nefa ny isam-biriky anjaranareo tsy maintsy homenareo ihany.
Kanefa ny isan’ny biriky izay fanaony teo aloha dia takio aminy ihany fa aza ahenanareo, satria olona kamo ireo. Koa izany no itarainany handeha hanao sorona ho amin’ilay Andriamaniny.
Tezitra ireo mpianatra nony nahita izany ka nanao hoe: –Nahoana re iny no dia lanîna foana tahaka izao?
Aoka hiasa ianareo, tsy hoe hahazoana ny sakafo mety levona, fa hahazoana ny sakafo matàna ho aina maharitra mandrakizay, dia ilay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no efa nasian’Andriamanitra ny mariky ny fahefana nomeny Azy.