Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 5:10 - DIEM PROTESTANTA

Dia nivoaka ny lapa ireo lehiben’ny fanompoana sy ireo mpitandrin-draharaha ka nilaza tamin’ny Israelita hoe: –Izao no lazain’ny Farao: tsy hanome mololo anareo intsony aho.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nandeha ny mpampiasa ny olona mbamin’ny mpifehy azy ka niteny tamin’ireo hoe: Izao no lazain’i Farao: Tsy hanome mololo anareo intsony aho;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nivoaka ny lapa ireo lehiben’ny fanompoana sy ireo mpitandrin-draharaha ka nilaza tamin’ny Israelita hoe: –Izao no lazain’ny Farao: tsy hanome mololo anareo intsony aho.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia tonga ny mpampiasa ny vahoaka sy ny mpanoratra, ka nilaza tamin’ny vahoaka hoe: «Izao no lazain’i Faraôna: Tsy hanome mololo anareo intsony aho,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin’ny mpifehy azy ka niteny tamin’ny olona nanao hoe: Izao no lazain’i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin'ny mpifehy azy ka niteny tamin'ny olona nanao hoe: Izao no lazain'i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nandeha ny mpampiasa ny olona mbamin’ny mpifehy azy ka niteny tamin’ireo hoe: Izao no lazain’i Farao: Tsy hanome mololo anareo intsony aho;

Jereo ny toko



Eksodosy 5:10
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanendry lehiben’ny asa fanompoana ny Ejiptianina mba hampikoy ny Israelita amin’ny asa mafy. Koa nanangana ny tanàna Pitôma sy Rahamsesa ny Israelita mba ho fitahirizam-bokatra ho an’ny Farao.


Ary hoy ny TOMPO hoe: –Efa hitako tokoa ny fahorian’ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan’ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany.


Ianareo ihany no mandehana maka mololo ho anareo amin’izay ahitanareo any, kanefa tsy hisy hahena ny asa fanompoanareo.


Androtr’iny ihany dia nomen’ny Farao baiko ireo Ejiptianina lehiben’ny asa fanompoana sy ireo Israelita mpitandrin-draharaha ka nilazany hoe:


Hamafiso fanompoana ireo olona ireo, dia hifototra amin’izany ka tsy hanonofinofy teny lainga.


Raha mihaino lainga ny mpitondra, ho tonga ratsy avokoa ny olom-peheziny.


Hafatra momba ny biby mivesatra entana any Negeba. Faritra mampahory sy mampitebiteby sady misy liona masiaka mierona ary koa menarana sy dragona manidina no indro vakivakîn’ny olona ka itondrany harena sy zava-tsoa eny an-damosin’ny boriky sy eny ambony trafon’ny rameva hankany amin’ny firenena tsy mahasoa azy akory.