Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 40:5 - DIEM PROTESTANTA

Hapetraka eo anoloan’ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ilay alitara volamena fandorana ditin-kazo manitra; ny efitra lamba dia hapetaka eo amin’ny fidirana mankao amin’ny fonena-masina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ny vata misy ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia apetaho eo amin’ny varavaran’ny tabernakely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hapetraka eo anoloan’ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ilay alitara volamena fandorana ditin-kazo manitra; ny efitra lamba dia hapetaka eo amin’ny fidirana mankao amin’ny fonena-masina.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hataonao eo anoloan’ny fiaran’ny vavolombelona ny ôtely volamena fandoran-java-manitra, ary hataonao eo amin’ny fidirana ao amin’ny Fonenana ny varavarana lamba.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ny fiaran’ny Vavolombelona. ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin’ny varavaran’ny tabernakely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan'ny fiaran'ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin'ny varavaran'ny tabernakely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ny vata misy ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia apetaho eo amin’ny varavaran’ny tabernakely.

Jereo ny toko



Eksodosy 40:5
12 Rohy Ifampitohizana  

Hapetraka eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana io alitara io, dia eo anoloan’ny saron’ny Vatamasina izay hihaonako aminao.


Ny alitara fisoronana dia hatao eo anoloan’ny fidirana ao amin’ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana;


Rehefa hiainga ny Israelita dia ho avy i Aharôna sy ny zanany hanala ny lamba mampisaraka amin’ny Toeramasina ka handrakofany ny Vatamasina misy ny Didy folo;


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalako.


Fa ny Toeramasina nataon’olombelona, izay sarintsarin’ny tena izy, no nidiran’i Kristy; fa ny lanitra mihitsy no nidirany mba hahazoany ankehitriny mangataka amin’Andriamanitra ho antsika.