Hapetraka ao amin’ny fonena-masina, eo amin’ny lafiny avaratra, ny latabatra; ary ny fitoeran-jiro kosa manoloana ny latabatra amin’ny lafiny atsimo.
Eksodosy 40:22 - DIEM PROTESTANTA Ny latabatra voatokana dia napetraka tao amin’ny Tranolay fihaonana, terỳ amin’ny lafiny avaratra, teo anoloan’ny efitra lamba; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Napetrany tao amin’ny tranolay fihaonana ny latabatra, teo amin’ny lafiny avaratra amin’ny tabernakely, teo ivelan’ny efitra lamba. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny latabatra voatokana dia napetraka tao amin’ny Tranolay fihaonana, terỳ amin’ny lafiny avaratra, teo anoloan’ny efitra lamba; Baiboly Katolika Napetrany tao an-trano lay fihaonana ny latabatra amin’ny lafiny avaratra amin’ny Fonenana, atỳ ivelan’ny efitra lamba, Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny latabatra dia napetrany teo amin’ny trano-lay fihaonana, dia teo amin’ny lafin’ny tabernakely avaratra, teo ivelan’ny efitra lamba. Malagasy Bible Ary ny latabatra dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, dia teo amin'ny lafin'ny tabernakely avaratra, teo ivelan'ny efitra lamba. La Bible en Malgache Napetrany tao amin’ny tranolay fihaonana* ny latabatra, teo amin’ny lafiny avaratra amin’ny tabernakely, teo ivelan’ny efitra lamba. |
Hapetraka ao amin’ny fonena-masina, eo amin’ny lafiny avaratra, ny latabatra; ary ny fitoeran-jiro kosa manoloana ny latabatra amin’ny lafiny atsimo.
Napetraka tao amin’ny Tranolay fihaonana tamin’ny lafiny atsimo, manoloana ny latabatra, ny fitoeran-jiro;
Ao no haiditra ny latabatra voatokana ka halamina eo amboniny ny mofo fanolotra ho Ahy; ao koa no haiditra ny fitoeran-jiro ka harehitra ny jirony.
Kely noho izay bitika indrindra amin’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra aho, kanefa nomen’Andriamanitra izany tombon-tsoa izany: dia ny hitory amin’ny hafa firenena ny Vaovao Mahafaly momba ny haren’i Kristy tsy hita lany,