Eksodosy 4:4 - DIEM PROTESTANTA fa hoy ny TOMPO taminy: –Ahinjiro ny tananao ka sambory amin’ny rambony io. Dia naninji-tanana i Mosesy ka nitana azy tamin’ny rambony, ary nanjary tehina teo an-tanany ilay bibilava. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory ny tananao ka raiso amin’ny rambony iny. Dia natsotrany ny tanany ka noraisiny izany ary tonga tehina teo an-tanany indray. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa hoy ny TOMPO taminy: –Ahinjiro ny tananao ka sambory amin’ny rambony io. Dia naninji-tanana i Mosesy ka nitana azy tamin’ny rambony, ary nanjary tehina teo an-tanany ilay bibilava. Baiboly Katolika Fa hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Arosoy ny tananao, ka raiso amin’ny rambony.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Ahinjiro ny tànanao, ka raiso amin’ny rambony iny (dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy), Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin'ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy La Bible en Malgache Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory ny tananao ka raiso amin’ny rambony iny. Dia natsotrany ny tanany ka noraisiny izany ary tonga tehina teo an-tanany indray. |
Ary hoy ny TOMPO hoe: –Atsipazo amin’ny tany iny! Dia natsipin’i Mosesy tamin’ny tany izany ka tonga bibilava. Nandositra azy i Mosesy,
Koa hoy ny TOMPO hoe: –Izany dia mba hahatonga ny Israelita hatoky fa efa niseho taminao Aho TOMPO Andriamanitry ny razany, Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.
handray menarana sy hisotro poizina mahafaty, nefa tsy haninon-tsy haninona; ary hametra-tanana amin’ny marary, dia ho sitrana ireny.
Indro ianareo efa nomeko fahefana hanitsaka bibilava sy maingoka sady hanamontsana ny hery rehetra ananan’ny fahavalo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.
Dia hoy ny renin’i Jesoa tamin’ireo mpanompo: –Na inona na inona lazainy aminareo dia ataovy!