Ingao ny tehinao, ka ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao. Ary saraho ny rano, dia hamaky eo afovoan’ny rano eo amin’ny tany maina ny Israelita.
Eksodosy 4:20 - DIEM PROTESTANTA Koa nalain’i Mosesy ny vadiny aman-janany, natainginy teo amin’ny borikiny, dia niverina ho any Ejipta izy. Ary nataony an-tanana koa ilay tehina nasain’Andriamanitra nentiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nalain’i Mosesy ny vadiny sy ireo zanany lahy ka nampitaingeniny boriky dia niverina ho any amin’ny tany Ejipta izy. Ary noentin’i Mosesy teny an-tanany ilay tehin’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa nalain’i Mosesy ny vadiny aman-janany, natainginy teo amin’ny borikiny, dia niverina ho any Ejipta izy. Ary nataony an-tanana koa ilay tehina nasain’Andriamanitra nentiny. Baiboly Katolika Dia nalain’i Môizy ny vady aman-janany, nampitaingenany ampondra, ka niverina ho any an-tany Ejipta izy. Nataon’i Môizy an-tanany ny tehin’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nalain’i Mosesy ny vadiny sy ny zanani-lahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin’ny tany Egypta izy; ary nentin’i Mosesy teny an-tànany ilay tehin’Andriamanitra. Malagasy Bible Dia nalain'i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin'ny tany Egypta izy; ary nentin'i Mosesy teny an-tànany ilay tehin'Andriamanitra. La Bible en Malgache Dia nalain’i Mosesy ny vadiny sy ireo zanany lahy ka nampitaingeniny boriky dia niverina ho any amin’ny tany Ejipta izy. Ary noentin’i Mosesy teny an-tanany ilay tehin’Andriamanitra. |
Ingao ny tehinao, ka ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao. Ary saraho ny rano, dia hamaky eo afovoan’ny rano eo amin’ny tany maina ny Israelita.
Dia hoy i Mosesy tamin’i Josoa: –Mifidiana lehilahy afaka hiaro antsika, dia mivoaha hiady amin’ny Hamalekita. Izaho kosa rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ny havoana miaraka amin’ny tehin’Andriamanitra eny an-tanako.
Nampilaza tamin’i Mosesy i Jetrao hoe: «Izaho rafozanao no ho avy any aminao, miaraka amin’ny vadinao sy ny zanakao roa lahy.»
Niteraka zazalahy ilay ramatoa ka hoy i Mosesy hoe: –Antsoiko hoe Gersôma ity zaza ity satria efa lasa mpitsoa-ponenana atỳ an-tany hafa aho.
Ningain’i Mosesy ny tanany ka nokapohiny indroa tamin’ny tehiny ny vatolampy; dia niboiboika be ny rano ka samy nisotro avokoa ny olon-drehetra mbamin’ny biby fiompiny.
Vao nandre izany teny izany i Mosesy, dia vaky nandositra ka nifindra monina tany Midiàna, ary nanan-janaka roa lahy tany.