Koa nalainy ny tsora-kazo maromaro tamin’ny hazo beravina sy ny hazo amandy ary ny hazo platàna ka nataony vaofy vandana hisehoan’ny fotsy teo amin’ny tsora-kazo.
Eksodosy 4:2 - DIEM PROTESTANTA Ary hoy ny TOMPO taminy: –Inona moa iny an-tananao iny? Dia novaliany hoe: –Tehina! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy NY TOMPO taminy: Inona moa iny an-tananao iny? Dia hoy izy: Tehina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy ny TOMPO taminy: –Inona moa iny an-tananao iny? Dia novaliany hoe: –Tehina! Baiboly Katolika Ka hoy i Iaveh taminy: «Inona iny an-tananao iny?» Dia hoy ny navaliny: «Tehina ity.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tànanao? Dia novaliany hoe: Tehina ity. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity. La Bible en Malgache Hoy NY TOMPO taminy: Inona moa iny an-tananao iny? Dia hoy izy: Tehina. |
Koa nalainy ny tsora-kazo maromaro tamin’ny hazo beravina sy ny hazo amandy ary ny hazo platàna ka nataony vaofy vandana hisehoan’ny fotsy teo amin’ny tsora-kazo.
Dia hoy i Elisà taminy: –Inona àry no hataoko ho anao? Lazao ahy izay anananao ao an-trano. Fa hoy ny navalin’ilay vehivavy: –Tsy manana na inona na inona aho afa-tsy ilomanitra indray mihosotra ihany.
Avy eo Tsiôna anie ny TOMPO Andriamanitra no hanitatra ny fahefàm-pitondranao! Enga anie hiharan’ny fanapahanao eo anivon’ireo fahavalonao manodidina Anao!
Koa nalain’i Mosesy ny vadiny aman-janany, natainginy teo amin’ny borikiny, dia niverina ho any Ejipta izy. Ary nataony an-tanana koa ilay tehina nasain’Andriamanitra nentiny.
Koa mankanesa any aminy ianao rahampitso maraina, rehefa mivoaka hankeo amoron-drano izy. Ento eny an-tananao ilay tehina tonga bibilava, dia andraso eo amoron’i Neily izy.
–Raha mangataka anareo hanao zava-mahagaga ny Farao, dia lazaonao i Aharôna, ry Mosesy, mba handray ny tehinao ka hanipy azy eo anatrehan’ny Farao, dia hanjary fanàny iny.
fa hitsara ny malahelo ara-drariny ary hamoaka didy araka ny hitsiny ho an’ny mahantra eo amin’ny tany. Ny teniny no toy ny tsorakazo hikapohany ny tany ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny olon-dratsy.
Ny ampahafolon’ny biby fiompy, na omby na ondry na osy, izany hoe ny biby voamariky ny tehin’ny mpiandry azy, dia voatokana ho an’ny TOMPO.
TOMPO ô, ny tehinao no ento miandry ny vahoakanao, dia ny andianondry fanananao, izay mitoka-monina eo amin’ny tany be akata voahodidina saha mahavokatra; aoka izy handrasana any Basàna sy Gilehada tahaka ny tamin’ny andro taloha.