Koa andeha isika hidina hanakorontana ny fiteniny mba tsy hifankahazoany fiteny intsony.»
Eksodosy 4:11 - DIEM PROTESTANTA Namaly azy kosa ny TOMPO hoe: –Iza no nanome vava ny olona? Iza no mahatonga azy ho moana na ho marenina na ho mahiratra na ho jamba? Moa tsy Izaho TOMPO ve? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy NY TOMPO taminy: Iza moa no nanome vava ho an’ny olona? Ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? Tsy Izaho TOMPO va? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Namaly azy kosa ny TOMPO hoe: –Iza no nanome vava ny olona? Iza no mahatonga azy ho moana na ho marenina na ho mahiratra na ho jamba? Moa tsy Izaho TOMPO ve? Baiboly Katolika Fa hoy i Iaveh taminy: «Iza moa no nanao ny vavan’ny olombelona, ary zovy no mahatonga azy ho moana na marenina, mahiratra na jamba? Tsy Izaho Iaveh va? Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan’ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va? Malagasy Bible Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va La Bible en Malgache Dia hoy NY TOMPO taminy: Iza moa no nanome vava ho an’ny olona? Ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? Tsy Izaho TOMPO va? |
Koa andeha isika hidina hanakorontana ny fiteniny mba tsy hifankahazoany fiteny intsony.»
Moa misy zavatra tsy hain’ny TOMPO tanterahina ve? Koa rehefa miverina eto aminao aho amin’ny herintaona toy izao, dia hanan-janaka lahy i Sarà.
Ny Tompo Izay nanao ny sofina ve tsy handre? Izy namorona ny maso indray no tsy hahita?
Dia hampahiratra ny mason’ny jamba ianao, hamoaka ny gadra avy ao am-ponja, eny, hamoaka ireo mipetraka anaty haizina hialany amin’ny trano nihazonana azy.»
Natehiny tamin’ny vavako izany, ary hoy izy tamiko: «Indro efa nitehika ny molotrao ity; koa afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.»
Ary namaly aho hoe: –Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mbola tanora loatra aho ka tsy mahay mandahateny.
Avy eo IZY dia nandroso ny tanany ka nanendry ny vavako ary nilaza tamiko hoe: –Ianao no hanambara ny teniko.
Fa ny hariva nialoha ny andro nahatongavan’io lehilahy io, dia nataon’ny TOMPO tsapako ny heriny tamin’ny nanokafany ny vavako ho afa-miteny indray. Koa ny ampitso maraina, nony tonga teo amiko ilay nandositra, dia tsy moana intsony aho fa afaka niteny.
Tsofina ao an-tanàna ve ny trompetra, ka tsy hisahotaka ny vahoaka? Misy loza ve ao an-tanàna, raha tsy ny TOMPO no nanao azy?
mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly ny mahantra.
Noho ianao tsy nino ny teniko izay tsy maintsy ho tanteraka amin’ny fotoana voatendry dia ho moana ianao ka tsy afa-miteny mandra-pahatongan’izany.
Teo no ho eo ihany dia nahay niteny indray i Zakarià, ary nanezaka nidera an’Andriamanitra.
Ny sasany kosa nanao hoe: –Tsy mba tenin’olona azon-demony izany! Demony ve mahay mampahiratra ny mason’ny jamba?