Haba volamena efatra no hotefena ka haraikitra eo amin’ny zorony efatry ny Vatamasina, dia samy roa an-daniny avy.
Eksodosy 39:16 - DIEM PROTESTANTA nisy bokom-bolamena roa sy haba volamena roa namboarina ka napetaka teo amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nataony koa ny randram-bolamena roa sy mason-drojo volamena roa; ny mason-drojo dia natao teo amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara nisy bokom-bolamena roa sy haba volamena roa namboarina ka napetaka teo amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra. Baiboly Katolika Ary nanao randram-bolamena roa sy masom-bolamena roa izy, ka ny masom-bola roa dia natao tamin’ny tendrony roa amin’ny saron-tratra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanao randram-bolamena roa sy vava volamena roa izy; ary ny vava vola dia nataony teo amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra. Malagasy Bible Ary nanao randram-bolamena roa sy vava volamena roa izy; ary ny vava vola dia nataony teo amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra. La Bible en Malgache Nataony koa ny randram-bolamena roa sy mason-drojo volamena roa; ny mason-drojo dia natao teo amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra. |
Haba volamena efatra no hotefena ka haraikitra eo amin’ny zorony efatry ny Vatamasina, dia samy roa an-daniny avy.
Mpivaofy vato no hisokitra ny anarana amin’ireo vato roa ireo; hataony toy ny fisokitra tombokase izany ka hapetaka anaty bokom-bolamena anankiroa.
Rojo volamena madinika roa, miolanolana toy ny tady voarandrana, no natao teo amin’ny saron-tratra;
Nafatotra tsirairay tamin’ireo haba amin’ny saron-tratra ireo ny rojo volamena madinika;