Eksodosy 38:2 - DIEM PROTESTANTA Natao miendrika tandroka ny zorony efatra ambony sady narafitra niaraka tamin’ny tenan’ny alitara, izay norakofana takelaka halimo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanao ny tandrony teo amin’ny zorony efatra izy ka nataony miray aminy, dia nopetahany takelaka varahina ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Natao miendrika tandroka ny zorony efatra ambony sady narafitra niaraka tamin’ny tenan’ny alitara, izay norakofana takelaka halimo. Baiboly Katolika Ny zorony efatra nasiany tandrony mivoaka avy amin’ny ôtely, sy nopetahiny takela-barahina ny ôtely. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanao ny tandrony teo amin’ny zorony efatra izy, ka nataony miray aminy, ary nopetahany takela-barahina ireo. Malagasy Bible Ary nanao ny tandrony teo amin'ny zorony efatra izy, ka nataony miray aminy, ary nopetahany takela-barahina ireo. La Bible en Malgache Nanao ny tandrony teo amin’ny zorony efatra izy ka nataony miray aminy, dia nopetahany takelaka varahina ireo. |
Hatao miendrika tandroka ny zorony efatra ambony sady harafitra miaraka amin’ny tenan’ny alitara, izay horakofana takelaka halimo.
Ny alitara fisoronana dia namboarina tamin’ny hazo mimôzà. Efamira izy io, ka nirefy roa metatra sy sasany ny lafiny tsirairay ary iray metatra sy sasany ny haavony.
Halimo koa no nanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.