Eksodosy 34:1 - DIEM PROTESTANTA Nandidy an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Manamboara vatofisaka roa toy ny teo aloha; hosoratako amin’ireo ny teny mitovy amin’izay voasoratra tamin’ireo vatofisaka voalohany efa nopotipotehinao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aoka ianao hipaika vato fisaka roa tahaka ireo teo aloha dia hosoratako amin’ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin’ireo vato fisaka teo aloha izay nopotehinao; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nandidy an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Manamboara vatofisaka roa toy ny teo aloha; hosoratako amin’ireo ny teny mitovy amin’izay voasoratra tamin’ireo vatofisaka voalohany efa nopotipotehinao. Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Manaova takelaka vato roa tahaka ireo voalohany ka hanoratako ny teny izay efa teo amin’ireo takelaka voalohany notorotoroinao. Baiboly Protestanta Malagasy ARY hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin’ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin’ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao; Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin'ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao; La Bible en Malgache Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aoka ianao hipaika vato fisaka roa tahaka ireo teo aloha dia hosoratako amin’ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin’ireo vato fisaka teo aloha izay nopotehinao; |
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miakara etỳ akaikiko etỳ an-tendrombohitra, ary mijanòna eo. Homeko anao ny vatofisaka izay nanoratako ny didy aman-dalàna mba hampianarinao ny Israelita.
Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nataony tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny an’i Mosesy ny vatofisaka misy ny lalàna izay nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.
Asan’Andriamanitra ireo vatofisaka roa ireo, nosoratan’ny tanan’Andriamanitra mihitsy.
Raha vao nanatona ny toby izy, dia hitan’i Mosesy ny sarivongana ombilahikely sy ny vahoaka nandihy. Tezitra i Mosesy, ka natsipiny ny vatofisaka teny an-tanany sady nopotipotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.
Dia nijanona tao niaraka tamin’ny TOMPO efapolo andro sy efapolo alina i Mosesy, nefa tsy nihinana na nisotro; ary izy no nanoratra tamin’ny vatofisaka roa ny didy folo, fototry ny fanekempihavanana.
Dia nanamboatra vatofisaka roa mitovy amin’ny teo aloha i Mosesy. Ny ampitso vao maraina dia niakatra teny Sinay araka ny baiko nomen’ny TOMPO azy izy, sady nitondra ireo vatofisaka roa.
Dia naka horonan-taratasy iray hafa i Jeremià ka nomeny an’i Baròka, zanakalahin’i Nera sady mpanoratra. Ary nosoratany tao izay notononin’i Jeremià, dia ireo hafatra rehetra izay efa tao amin’ilay boky nodoran’i Jôiakima mpanjakan’i Joda; sady mbola niampy hafatra maro tahaka ireny koa.
Dia nambarany taminareo ny fanekempihavanany, izay nodidiany harahinareo, dia ny didy folo; ary nosoratany teo amin’ny takela-bato anankiroa ireo.