Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 3:11 - DIEM PROTESTANTA

Fa hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: –Zinona moa aho no hankany amin’ny Farao ka hamoaka ny Israelita hiala avy any Ejipta?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin’i Farao ka hitondra ny Zanak’Israely hivoaka avy any Ejipta?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: –Zinona moa aho no hankany amin’ny Farao ka hamoaka ny Israelita hiala avy any Ejipta?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa hoy i Môizy tamin’i Andriamanitra: «Inona moa aho no hankany amin’i Faraôna sy hitondra ny zanak’i Israely hivoaka avy any Ejipta?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa hoy Mosesy tamin’Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin’i Farao sy hitondra ny Zanak’Isiraely hivoaka avy any Egypta?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin'i Farao sy hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any Egypta?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin’i Farao ka hitondra ny Zanak’Israely hivoaka avy any Ejipta?

Jereo ny toko



Eksodosy 3:11
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary nankeo anatrehan’ny TOMPO tao an-tranolay i Davida mpanjaka, ka nipetraka sady nivavaka hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mba iza moa aho ary mba inona ny fianakaviako, no tonganao amin’ny toerana misy ahy izao?


Ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitro ô, efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an’i Davida raiko Ianao, kanefa izaho dia mbola tanora loatra ka tsy mahay mitondra akory.


Koa omeo ahy mpanomponao ny saina mahiratra hifehezako ny vahoakanao sy hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa, raha tsy eo izany, iza moa no hahay mifehy izao vahoakanao marobe izao?


Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny mpiray firenena amiko, no hanan-kery hanolotra fanomezana an-tsitrapo toy izao? Eny, avy aminao ny zavatra rehetra; ary ny avy taminao ihany no nanomezanay Anao.


Fa nanambara teo anatrehan’ny TOMPO i Mosesy hoe: –Na dia ny Israelita aza tsy nihaino ahy, koa ahoana no hihainoan’ny Farao ahy izay votsa vava ity?


Ary namaly aho hoe: –Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mbola tanora loatra aho ka tsy mahay mandahateny.


fofona mahafaty tokoa izany ho an’ny very, fa fofona mahavelona tokoa ho an’ny voavonjy. Koa iza moa no antonona ho amin’izany asa izany?


Izahay dia tsy mihambo hanana fahaleovana hahahevitra asa toy izany avy amin’ny tenanay; fa avy amin’Andriamanitra ny fahaleovana ananany.


Dia novalian’i Gidehôna hoe: –Indrisy, Tompo ô, ahoana no ahazoako mamonjy an’i Israely? Kanefa ny fianakaviako no osa indrindra amin’ny fokon’i Manase ary izaho no tanora indrindra ao an-tranon’ny raiko.


Ka hoy ny navalin’i Davida an’i Saoly: –Ry mpanjaka, iza moa aho ary zinona ny fiainako sy ny fianakaviamben’ny raiko, no ho tonga vinantonao aho?