Hopetahana tadivavarana dimampolo ny sisin-damba farany amin’ny vitrana voalohany, ary hatao toy izany koa ny sisin-damba voalohany amin’ny vitrana faharoa.
Eksodosy 26:11 - DIEM PROTESTANTA Farango halimo dimampolo no hamboarina, dia hatsofoka amin’ny tadivavarana mba hampikambana ny lay ho iray ihany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Manaova farango varahina dimampolo ka ampidiro ho eo amin’ny tadivavarana ireo farango ireo ary akambano ny lay, dia ho iray ihany izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Farango halimo dimampolo no hamboarina, dia hatsofoka amin’ny tadivavarana mba hampikambana ny lay ho iray ihany. Baiboly Katolika Dia hanao jaigirafy varahina dimampolo ianao, hampidirinao amin’ny tadivavarana ny jaigirafy mba hanakambananao ny lay ho iray ihany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary manaova farango varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin’ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy. Malagasy Bible Ary manaova farango; varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin'ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy. La Bible en Malgache Manaova farango varahina dimampolo ka ampidiro ho eo amin’ny tadivavarana ireo farango ireo ary akambano ny lay, dia ho iray ihany izany. |
Hopetahana tadivavarana dimampolo ny sisin-damba farany amin’ny vitrana voalohany, ary hatao toy izany koa ny sisin-damba voalohany amin’ny vitrana faharoa.
Manaraka ny sakan’ny lamba temitra dia antsasaky ny ambainy fanampiny no hikiraviravy ao ivohon’ny Tranolay masina.
Hatambatra ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia hatao toy izany koa ny dimy hafa.
Farango volamena dimampolo no hamboarina mba hanakambanana ny vitrana roa, dia hatambatra ho iray ihany ny fonena-masina manontolo.