Eksodosy 23:3 - DIEM PROTESTANTA Aza manasohaso olona eo amin’ny fitsarana, na dia ny mahantra aza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza miangatra amin’ny mahantra amin’ny adiny eo amin’ny fitsarana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aza manasohaso olona eo amin’ny fitsarana, na dia ny mahantra aza. Baiboly Katolika Aza momba ny malahelo amin’ny adiny. Baiboly Protestanta Malagasy Aza mandravaka ny tenin’ny malahelo eo amin’ny fandaharan-teniny hianao. Malagasy Bible Aza mandravaka ny tenin'ny malahelo eo amin'ny fandaharan-teniny ianao. La Bible en Malgache Aza miangatra amin’ny mahantra amin’ny adiny eo amin’ny fitsarana. |
Tsy tsara ny miandany amin’ny olon-dratsy mba hahatonga ny marina ho resy amin’ny fitsarana.
Aza manendaka ny mahantra, noho izy mahantra; ary aza mampahory tsy mana-mpiahy amin’ny fitsarana.
«Aza manao izay tsy marina amin’ny fitsarana: ny mahantra, aza ananana tombom-pitia; ny lehibe, aza ananana hena-maso; fa ara-drariny no aoka hitsaranareo ny mpiray firenena aminareo.
Hoy koa ny Tompo hoe: «Fantatro fa marobe ireo helokareo ary mahatsiravina ireo fahotanareo; ianareo no mpandray tsolotra sy mpanenjika ny olo-marina, ka manodinkodina ny zon’ny mahantra eo amin’ny fitsarana,»
Aza mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana, fa henoy na ny kely na ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an’Andriamanitra ny fitsarana.»
Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ny hendry ka mampamadika ny raharahan’ny manan-drariny.
Fa ny fahendrena avy any ambony dia voalohany indrindra madio, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora ifampiraharahana, be famindrampo sady mahavokatra asa soa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.