Haveriny izay nisasarany fa tsy azony hanina; koa na betsaka aza ny tombom-barony, dia tsy mba hifaliany akory izany.
Eksodosy 22:5 - DIEM PROTESTANTA «Raha misy olona mandoro lobolobo misy tsilo ka mitatra amin’ny antontam-bary na vary hojinjana na tanimboly ny afo, dia tsy maintsy hanonitra ny may ilay nandoro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo ary may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Raha misy olona mandoro lobolobo misy tsilo ka mitatra amin’ny antontam-bary na vary hojinjana na tanimboly ny afo, dia tsy maintsy hanonitra ny may ilay nandoro. Baiboly Katolika «Raha misy olona manimba voly na tanimboaloboka, fa nampitondraka ny bibiny tamin’ny sahan’olona dia honerany izany amin’izay tsara indrindra amin’ny voliny sy amin’izay tsara indrindra amin’ny tanimboalobony.» Baiboly Protestanta Malagasy Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo. Malagasy Bible Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo. La Bible en Malgache Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo ary may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo. |
Haveriny izay nisasarany fa tsy azony hanina; koa na betsaka aza ny tombom-barony, dia tsy mba hifaliany akory izany.
dia tsy maintsy handoa vola onitra amin’ny tompom-biby ilay tompon’ny lava-drano, fa ny biby maty kosa dia ho azy.
Raha voaviraviran’ny bibidia ilay izy, dia hoentina ho porofo ny sisa tavela aminy; ka amin’izay dia tsy hanonitra izy.
«Raha misy omby na boriky na ondry na osy nangalarina ka tratra mbola velona eo amin’ilay mpangalatra, dia haveriny amin’ny tompony avo roa heny iny.
«Raha misy olona mampitondraka ny bibiny amin’ny voly na ny tanimboaloboky ny hafa ka manimba izany, dia izay tsara indrindra amin’ny vokatry ny sahany sy ny tanimboalobony no homeny ho onitra.
«Mety hisy olona manome vola na fanaka hotehirizin’ny namany ka nisy nangalatra tao an-tranony. Koa raha hita ilay nangalatra, dia hanonitra avo roa heny;
Tsy tany tondra-dronono sy tantely akory no nitondranao anay ary tsy saha na tanimboaloboka akory koa no nomenao ho fanananay! Heverinao ho poa-maso angaha ireo olona ireo? Tsia, tsy ho any izahay!