Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 22:23 - DIEM PROTESTANTA

Hirehitra ny fahatezerako ka hovonoiko amin’ny ady ianareo, dia ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty ny zanakareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary hirehitra ny fahatezerako ka hamono anareo amin’ny sabatra Aho, mba ho mpitondratena ny vadinareo ary ho kamboty ny zanakareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hirehitra ny fahatezerako ka hovonoiko amin’ny ady ianareo, dia ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty ny zanakareo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

fa raha manao izay mampalahelo ireny ianao, dia hitaraina amiko izy, ka hohenoiko ny fitarainany;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin’ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin'ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary hirehitra ny fahatezerako ka hamono anareo amin’ny sabatra Aho, mba ho mpitondratena ny vadinareo ary ho kamboty ny zanakareo.

Jereo ny toko



Eksodosy 22:23
19 Rohy Ifampitohizana  

Izany no nanesika ny mahantra sy ory hiantso vonjy amin’Andriamanitra; ka henony tokoa ny fitarainany.


Rehefa mafy loatra ny famoretana, dia mitaraina ny olona; ka miantso vonjy izy hiaro azy amin’ny famelezan’ireo mahery.


Hitanao fa mijaly sy ory ny mahantra, ka mivonon-kanampy azy hatrany Ianao; Ianao no itokian’ny malemy, sady mamonjy ny kamboty.


Aoka ny olo-mahay vava tsy honina amin’ny tany, ary ny olon-dozabe hoenjehin’antambo ka tsy hamelany!


Manao izay irîn’ny manaja Azy ny Tompo, ary mihaino ny tarainany ka mamonjy azy.


toy ny fatotra ahodidina ahy ny fonenan’ny maty, toa harato amandrihana ahy ny fahafatesana.


Mihirà ho fanajana an’Andriamanitra, mankalazà ny anarany amin’ny salamo mba hanoman-dalana ho fandraisana an’ilay mpitaingin-drahona ho kalesy. Ny Tompo no anarany ka mifalia eo anoloany.


«Aza miteny ratsy Ahy Andriamanitrareo, ary aza manozona ny filohan’ny firenenareo.


Efa tsy eo intsony ny rainay ka tonga kamboty izahay, ary mpitondratena ny reninay.


Ka dia Andriamanitra indray ve no tsy hanome rariny ny olom-boafidiny mitaraina andro aman’alina aminy? Ary hampiandry lava azy ireo ve Izy?


manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.


Tandremo fandrao mitsiry ao am-ponareo ny hevi-dratsy manao hoe: «Antomotra ity ny taona fahafito, dia ny taona famoizan-trosa.» Aoka ianareo tsy ho ratsy fijery an’ilay mahantra mpiray firenena aminareo, ka tsy hanome azy na inona na inona; fa hitaraina amin’ny TOMPO hiampanga anareo izy, ka dia ho fahotanareo izany.


Fa ny andro anaovany ihany no hanomezanareo ny karamany, ary aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany satria mahantra izy sady io karama io no andrandrain’ny fony. Aoka tsy hitaraina amin’ny TOMPO noho ny nafitsokareo izy, fa dia ho fahotana aminareo izany.


Tsy voaloanareo akory ny karaman’ireo mpiasa nijinja ny taninareo, ka mitaraina ireo; ary ny fitarainan’ireo mpijinja dia efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’izao rehetra izao.