Raha maka vady hafa kosa ilay tompony, dia tsy hisy hahenany na ny sakafo na ny fitafiana na ny fiaraha-mitoetra aminy hatrizay.
Eksodosy 21:9 - DIEM PROTESTANTA Raha mamofo azy ho vadin’ny zanany lahy kosa ilay tompony, dia hanatanteraka aminy araka izay fanao amin’ny zanakavavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha mikendry azy ho fofombadin’ny zanany lahy izy dia araka ny fitondra zanakavavy no hataony aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha mamofo azy ho vadin’ny zanany lahy kosa ilay tompony, dia hanatanteraka aminy araka izay fanao amin’ny zanakavavy. Baiboly Katolika Raha ny zanany lahy no kasainy homena azy dia hoentiny araka izay tsy maintsy ho fitondra ny zanakavavy izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha mamofo azy ho vadin’ny zanani-lahy izy, dia araka ny fitondra zanakavavy no hataony aminy. Malagasy Bible Ary raha mamofo azy ho vadin'ny zananilahy izy, dia araka ny fitondra zanakavavy no hataony aminy. La Bible en Malgache Ary raha mikendry azy ho fofombadin’ny zanany lahy izy dia araka ny fitondra zanakavavy no hataony aminy. |
Raha maka vady hafa kosa ilay tompony, dia tsy hisy hahenany na ny sakafo na ny fitafiana na ny fiaraha-mitoetra aminy hatrizay.
Raha tàhiny novidin’ny tompony mba ho vadikeliny izy kanefa tsy ankasitrahîn’ny tompony, dia havelany havotan’ny rainy: tsy manana zo hivarotra azy amin’ny hafa firenena kosa anefa ilay tompony fa famadihana azy izany.