ka niteny tamin’i Abrama hoe: –Indro efa tsy nanome zanaka ahy ny TOMPO. Koa mba mandehana re any amin’ny mpanompovaviko; angamba hanan-janaka avy aminy aho. Dia neken’i Abrama ny soso-kevitr’i Saray.
Eksodosy 21:4 - DIEM PROTESTANTA Raha ny tompony kosa no nanome vady azy ka niteraka zazalahy na zazavavy ilay ramatoa, dia hijanona ho fananan’ny tompony ilay ramatoa sy ny ankizy, fa ilay rangahy ihany no handeha. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha manome vady azy ny tompony ka niteraka zazalahy na zazavavy taminy izy dia ho an’ny tompony ny vadiny sy ny zanany fa izy irery ihany no hiala. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha ny tompony kosa no nanome vady azy ka niteraka zazalahy na zazavavy ilay ramatoa, dia hijanona ho fananan’ny tompony ilay ramatoa sy ny ankizy, fa ilay rangahy ihany no handeha. Baiboly Katolika Raha ny tompony anefa no manome vady azy, ka niteraka lahy amana vavy taminy izy dia an’ny tompony ravehivavy sy ny zanany, fa izy kosa dia honjihonjin’izy irery no hiala. Baiboly Protestanta Malagasy Raha manome vady azy ny tompony, ka miteraka zazalahy na zazavavy aminy izy, dia ho an’ny tompony ihany ny vadiny sy ny zanany, fa izy irery ihany no hiala. Malagasy Bible Raha manome vady azy ny tompony, ka miteraka zazalahy na zazavavy aminy izy, dia ho an'ny tompony ihany ny vadiny sy ny zanany, fa izy irery ihany no hiala. La Bible en Malgache Raha manome vady azy ny tompony ka niteraka zazalahy na zazavavy taminy izy dia ho an’ny tompony ny vadiny sy ny zanany fa izy irery ihany no hiala. |
ka niteny tamin’i Abrama hoe: –Indro efa tsy nanome zanaka ahy ny TOMPO. Koa mba mandehana re any amin’ny mpanompovaviko; angamba hanan-janaka avy aminy aho. Dia neken’i Abrama ny soso-kevitr’i Saray.
Hoforana ny mpanompo teraka tao aminao sy ireo novidînao vola mba hitoetra eo amin’ny nofonareo ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay ny mariky ny fanekempihavanako.
Raha tsy nanam-bady izy no tonga mpanomponareo, dia izy irery ihany no handeha; fa raha nanam-bady izy, dia handeha miaraka aminy koa ramatoa vadiny.
Raha tàhiny kosa ilay rangahy manizingizina fa tia ny tompony sy ny vady aman-janany izy ka tsy te handeha ho olona afaka,