«Raha misy olona mikapoka ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny amin’ny hazo ka mahafaty azy, dia tsy maintsy faizina izy.
Eksodosy 21:21 - DIEM PROTESTANTA Kanefa raha mbola velona mandritra ny andro iray na roa ilay mpanompony, dia tsy tokony hofaizina ny tompony satria fananany ihany izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Kanefa raha mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy io dia tsy hovalina ilay tompony satria harenany ihany izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa raha mbola velona mandritra ny andro iray na roa ilay mpanompony, dia tsy tokony hofaizina ny tompony satria fananany ihany izy. Baiboly Katolika Fa raha mbola velona indray andro na indroa andro ihany izy, dia tsy hovaliana izy, satria an’ny tompony ihany io.» Baiboly Protestanta Malagasy Kanefa raha mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy, dia tsy hovaliana ilay tompony; fa hareny ihany izy. Malagasy Bible Kanefa raha mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy, dia tsy hovaliana ilay tompony; fa hareny ihany izy. La Bible en Malgache Kanefa raha mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy io dia tsy hovalina ilay tompony satria harenany ihany izy. |
«Raha misy olona mikapoka ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny amin’ny hazo ka mahafaty azy, dia tsy maintsy faizina izy.