Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 21:19 - DIEM PROTESTANTA

raha afaka mitsangana indray ilay voa ka mandehandeha mitondra tehina, dia tsy hohelohina akory ilay namely, saingy handoa ny onitry ny andro tsy niasany sy hiantoka tanteraka ny fitsaboana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia ho afa-tsiny ilay namely azy rehefa afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny alatrano ilay marary. Kanefa handoa ny onitr’ireo andro tsy niasany izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

raha afaka mitsangana indray ilay voa ka mandehandeha mitondra tehina, dia tsy hohelohina akory ilay namely, saingy handoa ny onitry ny andro tsy niasany sy hiantoka tanteraka ny fitsaboana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

raha manaritra ny anankiray ka afa-mitsangatsangana any ivelany miankina amin’ny tehina; nefa kosa tsy maintsy onerany ny andro tsy niasany ary hiantohany ny fitsaboana azy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

raha afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny ala-trano izy, dia ho afa-tsiny ilay namely azy; kanefa handoa ny hevitr’andro tsy nanaovany zavatra izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

raha afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny ala-trano izy, dia ho afa-tsiny ilay namely azy; kanefa handoa ny hevitr'andro tsy nanaovany zavatra izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia ho afa-tsiny ilay namely azy rehefa afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny alatrano ilay marary. Kanefa handoa ny onitr’ireo andro tsy niasany izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.

Jereo ny toko



Eksodosy 21:19
4 Rohy Ifampitohizana  

Hivaly eo an-dohan’i Jôaba sy ny fianakaviany manontolo anie izany, ary tsy ho foana ao amin’ny taranak’i Jôaba koa anie ny olona marary mitsika na marary hoditra sy ny lehilahy kilemaina manao asam-behivavy, ary ny lehilahy matin-tsabatra na tsy ampy sakafo!


«Mety misy olona mifanditra ka ny anankiray mamely ny namany amin’ny vato na amin’ny totohondry, saingy tsy maty ilay voa fa mandamaka ao am-pandriana;


«Raha misy olona mikapoka ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny amin’ny hazo ka mahafaty azy, dia tsy maintsy faizina izy.


Eny, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao, mbola hisy lehilahy sy vehivavy antitra hipetrapetraka eny an-kianjan’i Jerosalema; ka isan’olona ireo, noho ny fahanterany, dia samy hitondra tehina an-tanana.