Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 2:5 - DIEM PROTESTANTA

Taoriana kely dia nidina tao amin’i Neily mba handro ny zazavavin’ny Farao, ary ireo mpanotrona azy kosa nitsangantsangana teny amoron’ny ony. Nahatazana ilay sobika teo anivon’ny bararata izy ka naniraka ny mpanompovaviny iray haka azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nidina ny zanakavavin’i Farao mba handro tao amin’ny Neily fa ny mpanompovaviny dia nitsangantsangana teny amoron’ny Neily; koa raha nahita ilay vata kely teo anaty zozoro ny zanakavavin’i Farao dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy mba haka izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Taoriana kely dia nidina tao amin’i Neily mba handro ny zazavavin’ny Farao, ary ireo mpanotrona azy kosa nitsangantsangana teny amoron’ny ony. Nahatazana ilay sobika teo anivon’ny bararata izy ka naniraka ny mpanompovaviny iray haka azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nidina handro eo amin’ny ony ny zanaka vavin’i Faraôna, ka nitsangantsangana teny amoron’ny ony teny ny zazavavy namany. Rehefa tazany ilay vata tao anaty bararata dia nasainy nalain’ilay ankizy vaviny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nidina ny zanakavavin’i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangantsangana teny amoron’i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin’i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nidina ny zanakavavin'i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron'i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin'i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nidina ny zanakavavin’i Farao mba handro tao amin’ny Neily fa ny mpanompovaviny dia nitsangantsangana teny amoron’ny Neily; koa raha nahita ilay vata kely teo anaty zozoro ny zanakavavin’i Farao dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy mba haka izany.

Jereo ny toko



Eksodosy 2:5
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary marain-tsy hariva dia nitondra mofo sy hena ho azy ny goaika, fa rano teo amin’ny riaka kosa no nisotroany.


dia ireo izay manambara hoe: «Ny filàzanay no handresenay lahatra; hainay ny miteny, ka tsisy atahoranay!»


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny zava-maneno avo feo. Tononkira nataon’ireo terak’i Kôra.


fony Ianao nitsangana hilaza ny fanapahan-kevitrao hamonjy ny malahelo rehetra eto amin’ny tany. Fiatoana


ka hitsara izao tontolo izao araka ny rariny sy hanapaka ny firenena araka ny hitsiny.


Nosokafan’ny andriambavy ilay sobika, ka intỳ hitany tao zazalahy kely mitomany; ary onena azy izy ka niantso hoe: –Zanaka Hebreo ity!


Koa mankanesa any aminy ianao rahampitso maraina, rehefa mivoaka hankeo amoron-drano izy. Ento eny an-tananao ilay tehina tonga bibilava, dia andraso eo amoron’i Neily izy.


Dia nanao araka izay efa nolazainy tokoa ny Tompo, ka nisy fihitra nivangongo niditra tao an-dapan’ny Farao sy tao an-tranon’ireo tandapany ary manerana an’i Ejipta manontolo. Koa simba ny tany noho ny nataon’ny fihitra.


Ny fon’ny mpanjaka dia toy ny rano mikoriana izay tarihin’ny tanan’ny TOMPO amin’izay tiany.


Fa izaho kosa amin-kira fiderana no hanolorako sorona aminao, ary hanefako ny voady izay nataoko. Anao, TOMPO ô, ny famonjena!


fa nony voatery nariana, dia nalain’ny zanakavavin’ny Farao ka nobeaziny toy ny zanany.