Dia nifampiresaka izy ka nanao hoe: «Andao isika hanao biriky tanimanga ka handotra azy amin’ny afo.» Ny biriky no nataony solon’ny vato ary ny molanga no nataony solon’ny rihitra.
Eksodosy 2:3 - DIEM PROTESTANTA Taorian’izany, rehefa tsy afa-nanafina azy intsony izy, dia naka sobika zozoro izay nohosorany dity mineraly sy ditin-kazo, dia napetrany tao ny zaza; ary tao anatin’izany sobika izany no nanaterany azy teny amoron’i Neily teo anivon’ny bararata. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa tsy azony nafenina intsony dia naka vata kely zozoro izy ka nopetahany godorao sy dity ilay vata kely, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron’ny Neily ny vata kely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taorian’izany, rehefa tsy afa-nanafina azy intsony izy, dia naka sobika zozoro izay nohosorany dity mineraly sy ditin-kazo, dia napetrany tao ny zaza; ary tao anatin’izany sobika izany no nanaterany azy teny amoron’i Neily teo anivon’ny bararata. Baiboly Katolika Nony efa tsy azony nafenina intsony dia nalainy ny vata zozoro anankiray, nohosorany mena-tany sy dinti-kazo dia napetrany tao ny zaza, ka nalatsany tao anaty bararata amoron’ny ony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron’i Neily ny fiara. Malagasy Bible Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron'i Neily ny fiara. La Bible en Malgache Ary rehefa tsy azony nafenina intsony dia naka vata kely zozoro izy ka nopetahany godorao sy dity ilay vata kely, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron’ny Neily ny vata kely. |
Dia nifampiresaka izy ka nanao hoe: «Andao isika hanao biriky tanimanga ka handotra azy amin’ny afo.» Ny biriky no nataony solon’ny vato ary ny molanga no nataony solon’ny rihitra.
Nisy lava-drano betsaka nandrevo tao amin’ny lohasahan’i Sidima, ka rahefa nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy i Gômôra, dia nianjera tao ary ireo sisa kosa nandositra tany an-tendrombohitra.
Noho izany, manaova fiara ho anao, mitovy amin’ny sambo lehibe vita amin’ny hazo kipreso, dia asio efitrefitra ka hosory dity ao anatiny sy eo ivelany.
Fa ny Farao kosa dia nandidy ny vahoakany rehetra ka nanao hoe: –Atsipazo ao amin’ny ony Neily ny zazalahy hebreo rehetra raha vao teraka, fa ny zazavavy kosa avelao ho velona.
Irahinao ny masoivoho izay mandeha lakan-jozoro eny ambonin’ny ranon’i Neily. –Miverena ianareo, ry iraka faingam-pandeha, any amin’ireo olona ranjanana sy malandilandy, any amin’ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran’ny tany, any amin’ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony. Miverena any amin’ny taninareo izay vakivakîn’ny ony maro.
Ho maimbo ireo lakan-drano; ary ny sakeli-dranon’i Ejipta dia hihena sy ho tankina; ny volotara sy ny zozoro halazo.
Ny tany karakaina hanjary farihy, ny tany mangentana hiboiboika loharano. Ary eo amin’ny toerana famitsahan’ny amboadia dia hanirian’ny volotara sy ny zozoro.
Rehefa lasa nody ireo olon-kendry, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy i Jôsefa ka nilazany hoe: –Mifohaza ianao, ka ento mandositra any Ejipta ny zazakely sy ny reniny; ary mitoera any ambara-pilazako aminao indray. Fa efa hotadiavin’i Herôda ny zazakely mba hamonoany azy.
Tamin’izay dia tsinjon’i Herôda fa voafitak’ireo olon-kendry izy ka tena vinitra. Ary naniraka olona izy hamono tsy an-kanavaka ny zazalahikely tao Betlehema sy ny manodidina rehetra, hatramin’ny roa taona no ho midina, araka ilay fotoana nofotopotoriny tsara tamin’ireo olon-kendry.
Fetsy ratsy tamin’ny firenentsika io mpanjaka io ary tsy nifaditrovana tamin’ny razantsika ka nanery azy ireo hanary ny zazalahy vao teraka mba tsy hahavelona azy ireny.