Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 19:2 - DIEM PROTESTANTA

Niala tao Refidima manko izy ireo ka nitsofoka tao an-taniefitr’i Sinay, dia nitoby tao an-taniefitra, tandrifin’ny tendrombohitra Sinay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa nifindra niala tao Refidima izy ka tonga tany amin’ny tany efitr’i Sinay dia nitoby teo amin’ny tany efitra; nitoby teo, tandrifin’ny tendrombohitra ny Israely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Niala tao Refidima manko izy ireo ka nitsofoka tao an-taniefitr’i Sinay, dia nitoby tao an-taniefitra, tandrifin’ny tendrombohitra Sinay.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Efa niala tany Refidima izy; ary nony tonga tamin’ny efitr’i Sinaia, dia nitoby tao an’efitra; tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka tonga tany amin’ny efitr’i Sinay, dia nitoby teo amin’ny efitra; dia tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’ny Isiraely teo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka tonga tany amin'ny efitr'i Sinay, dia nitoby teo amin'ny efitra; dia tandrifin'ny tendrombohitra no nitobian'ny Isiraely teo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa nifindra niala tao Refidima izy ka tonga tany amin’ny tany efitr’i Sinay dia nitoby teo amin’ny tany efitra; nitoby teo, tandrifin’ny tendrombohitra ny Israely.

Jereo ny toko



Eksodosy 19:2
10 Rohy Ifampitohizana  

Araka ny baikon’ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr’i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka tao.


Tonga hiady amin’ny Israelita tao Refidima ny Hamalekita.


Dia lasa i Jetrao niaraka tamin’ny vady aman-janak’i Mosesy nankany amin’i Mosesy tany an-taniefitra, dia izay nitobiany teo anilan’ny tendrombohitr’Andriamanitra.


Niandry ny ondrin’i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.


Ary hoy Andriamanitra hoe: –Homba anao tokoa Aho; ary izao no porofo fa Izaho no naniraka anao: rehefa avy namoaka ny vahoaka israelita avy tany Ejipta ianao, dia hanao fanompoam-pivavahana amiko eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.


Izao no nolazain’ny TOMPO tamin’i Mosesy tany an-taniefitr’i Sinay, tao amin’ny Tranolay fihaonana, ny andro voalohan’ny volana faharoa tamin’ny taona faharoa nialan’ny Israelita tany Ejipta:


Niala teo Refidima ny Israelita, dia nankany an-taniefitr’i Sinay;


Efapolo taona taorian’izany, dia anjely tanaty lelafon-droimemy mirehitra no niseho tamin’i Mosesy, tany an-taniefitra misy ny tendrombohitra Sinay.


Rehefa vory ho fiangonana tany an-taniefitra ny vahoaka Israely, dia i Mosesy no teo anelanelan’ireo razantsika sy ilay anjely niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay; ka izy no nandray ny teny mahavelona avy amin’Andriamanitra mba homena antsika.


Ireo toe-javatra ireo dia raisiko ho fanoharana, fa izy roa vavy dia tandindon’ny fanekempihavanana anankiroa. Ny fanekempihavanana anankiray moa natao tany an-tendrombohitra Sinay, ka miteraka ho amin’ny fanompoana: dia i Hagara izany,