Eksodosy 18:3 - DIEM PROTESTANTA niaraka tamin’ny zanany roa lahy. Ny lahimatoa dia nantsoin’i Mosesy hoe Gersôma na «Vahiny atỳ», fa hoy izy hoe: «Efa vahiny atỳ an-tany hafa aho»; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 sy ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran’ny iray, satria hoy izy: Vahiny atỳ amin’ny tanin’ny firenena hafa aho; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara niaraka tamin’ny zanany roa lahy. Ny lahimatoa dia nantsoin’i Mosesy hoe Gersôma na «Vahiny atỳ», fa hoy izy hoe: «Efa vahiny atỳ an-tany hafa aho»; Baiboly Katolika mbamin’ny zanak’i Sefôrà roa lahy; ny iray natao hoe: Gersama, fa hoy i Môizy: «Vahiny atỳ an-tany hafa aho», Baiboly Protestanta Malagasy ary ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran’ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin’ny tanin’ny firenena hafa aho; Malagasy Bible ary ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran'ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin'ny tanin'ny firenena hafa aho; La Bible en Malgache sy ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran’ny iray, satria hoy izy: Vahiny atỳ amin’ny tanin’ny firenena hafa aho; |
Raha manitsy ny olona Ianao ka manafay azy noho ny helony, dia manimba izay maminy indrindra toy ny zavatra lanin’ny kalalao. Eny tokoa fa ny olona rehetra dia toa tsio-drivotra mandalo. Fiatoana
Niteraka zazalahy ilay ramatoa ka hoy i Mosesy hoe: –Antsoiko hoe Gersôma ity zaza ity satria efa lasa mpitsoa-ponenana atỳ an-tany hafa aho.
Koa nalain’i Mosesy ny vadiny aman-janany, natainginy teo amin’ny borikiny, dia niverina ho any Ejipta izy. Ary nataony an-tanana koa ilay tehina nasain’Andriamanitra nentiny.
Vao nandre izany teny izany i Mosesy, dia vaky nandositra ka nifindra monina tany Midiàna, ary nanan-janaka roa lahy tany.
Tamim-pinoana no nahafatesan’ireo olona rehetra ireo. Tsy azony akory izay nampanantenain’Andriamanitra azy, kanefa notazanin’ireo sy noarahabainy avy lavitra; ary dia niaiky izy rehetra fa vahiny sy mpivahiny teto an-tany.
Ry hava-malala, amin’ny maha vahiny sy mpivahiny anareo eto an-tany dia mampirisika anareo aho mba hifady ny filàndratsin’ny maha olona mpanota, fa miady manohitra ny fanahinareo ireny.
Ary natsangan’ireo ilay sampy nataon’i Mikà; ka i Jônatàna zanakalahin’i Gersôma sady zafikelin’i Mosesy no nanjary mpisoron’ny foko danita. Ny taranak’i Jônatàna no nitana io andraikitra io ambara-pahatonga ny andro famaboana izany tany izany.