Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 17:5 - DIEM PROTESTANTA

Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy hoe: –Mandalova eo anoloan’ny vahoaka, makà vitsivitsy amin’ny loholon’i Israely hiaraka aminao. Ento eny an-tananao ilay tehinao izay nikapohanao ny ranon’i Neily ka mandehana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandrosoa eo alohan’ny olona, ary mitondrà loholon’ny Israely hiaraka aminao; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an’i Neily, dia ento eny an-tananao ka mandehana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy hoe: –Mandalova eo anoloan’ny vahoaka, makà vitsivitsy amin’ny loholon’i Israely hiaraka aminao. Ento eny an-tananao ilay tehinao izay nikapohanao ny ranon’i Neily ka mandehana.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mialohava ny vahoaka ka ento miaraka aminao ny loholon’i Israely, ataovy an-tananao koa ny tehinao nikapohanao ny ony, dia mandehana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Mandrosoa eo alohan’ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon’Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an’i Neily, dia ento eny an-tànanao, ka mandehana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandrosoa eo alohan'ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon'ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an'i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandrosoa eo alohan’ny olona, ary mitondrà loholon’ny Israely hiaraka aminao; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an’i Neily, dia ento eny an-tananao ka mandehana.

Jereo ny toko



Eksodosy 17:5
8 Rohy Ifampitohizana  

Nanokafanao lalana ny loharano sy ny sakeli-drano, ary nataonao tankina ny ony tsy mety ritra.


Ingao ny tehinao, ka ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao. Ary saraho ny rano, dia hamaky eo afovoan’ny rano eo amin’ny tany maina ny Israelita.


Mandehana, vorio ny loholon’i Israely ka ilazao hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no efa niseho tamiko ka nilaza fa nitsinjo anareo sy nahita ny fomba afitsoka anareo atỳ Ejipta;


Hihaino anao ireo Israelita; koa mandehàna ianao sy ny loholon’i Israely mankany amin’ny mpanjakan’i Ejipta, ka lazaonareo aminy hoe: «Niseho taminay ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo, ilay Andriamanitray, koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro ho any an-taniefitra hanolotra sorona ho AZY.»


«Ary ianao, ry ilay taranak’olombelona, aza matahotra ny tenany na ny teniny. Hanohitra anao ireo, ka ho toy ny eo anivon’ny tsilo sy ny maingoka ianao; kanefa aza matahotra noho ny tenin’io vahoaka maditra io na mivadi-po noho ny fihetsiny.