Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 17:11 - DIEM PROTESTANTA

Ary raha mbola nasandratr’i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Israelita; fa rehefa navelany hidina, dia nahery ny Hamalekita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa nasandratr’i Mosesy ny tanany dia nahery ny Israelita; fa rehefa nampidininy ny tanany dia nahery kosa ny Amalekita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary raha mbola nasandratr’i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Israelita; fa rehefa navelany hidina, dia nahery ny Hamalekita.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Raha nasandratr’i Môizy ny tanany dia i Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tanany, i Amaleka no nahomby.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha nasandratr’i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha nasandratr'i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa nasandratr’i Mosesy ny tanany dia nahery ny Israelita; fa rehefa nampidininy ny tanany dia nahery kosa ny Amalekita.

Jereo ny toko



Eksodosy 17:11
8 Rohy Ifampitohizana  

Ianao no anosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no anitsakitsahanay ny mpamely anay.


Ny nirenireneko efa voasoratrao ho ao anaty bokinao; angony koa ny ranomasoko ho ao anaty sinikelinao.


Dia lasa i Josoa niady tamin’ny Hamalekita araka izay efa nandidian’i Mosesy azy; fa i Mosesy sy i Aharôna ary i Hora kosa dia niakatra teny an-tampon’ny havoana.


Ary nony vizaka ireo sandrin’i Mosesy, dia nalain’i Aharôna sy i Hora ny vato ka napetrany teo anilan’i Mosesy, ary nipetraka teo ambonin’io i Mosesy. Dia avy i Aharôna sy i Hora ka nanohana ny sandriny teo an-daniny sy an-kilany, dia naharitra tsy nidina ny tanany ambara-pilentiky ny masoandro.


Nanaovan’i Jesoa fanoharana avy eo ny mpianany hanehoana fa tsy maintsy mivavaka lalandava, ka tsy tokony ho kivy na oviana na oviana.


Tiako mba hivavaka ny lehilahy na aiza na aiza, ka hanandra-tanana hanao izany amin’ny fo madio, tsy misy fahatezerana na fifandirana.


Koa mieke heloka ianareo samy ianareo, ary mifampivavaha mba hahasitrana anareo; fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina.


Tsy nampidinin’i Josoa ny tanany nanambana lefona ambara-paharingan’ny mponina rehetra tao Hay.