Rehefa nisava ny ando dia indro nisy zavatra mivaingana nijanona teny an-taniefitra, boriborikely toy ny fanala nifafy tamin’ny tany.
Eksodosy 16:31 - DIEM PROTESTANTA Nataon’ny Israelita hoe mana ny anaran’izany sakafo izany. Mitovy amin’ny voarafy izy sady fotsy, ary tahaka ny mofo misy tantely ny tsirony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nantsoin’ny taranak’Israely hoe Mana io zavatra io; ary tahaka ny voan’ny koriandira izy nefa fotsy; ary ny tsirony dia tahaka ny mofo misy tantely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nataon’ny Israelita hoe mana ny anaran’izany sakafo izany. Mitovy amin’ny voarafy izy sady fotsy, ary tahaka ny mofo misy tantely ny tsirony. Baiboly Katolika Mana no nataon’ny taranak’i Israely anaran’io zava-pihinana io; tahaka ny voan-koriandra izy, ary fotsy, ary toy ny mofo misy tantely ny tsirony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny anarany dia nataon’ny taranak’Isiraely hoe Mana; ary tahaka ny voan-drafy izy sady fotsy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely. Malagasy Bible Ary ny anarany dia nataon'ny taranak'Isiraely hoe Mana; ary tahaka ny voan-drafy izy sady fotsy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely. La Bible en Malgache Nantsoin’ny taranak’Israely hoe Mana io zavatra io; ary tahaka ny voan’ny koriandira izy nefa fotsy; ary ny tsirony dia tahaka ny mofo misy tantely. |
Rehefa nisava ny ando dia indro nisy zavatra mivaingana nijanona teny an-taniefitra, boriborikely toy ny fanala nifafy tamin’ny tany.
Hitan’ny Israelita ireny nefa tsy fantany, ka nifanontany izy hoe: –Inona itony? Fa novalian’i Mosesy hoe: –Itony no mofo izay nomen’ny TOMPO hohaninareo.
Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: –Izao no zavatra nandidian’ny TOMPO: «Fenoy mana ny vata hômera iray mba hotehirizina ho an’ny taranakareo. Amin’izay dia mba ho hitany ny mofo izay nomeko hohaninareo tany an-taniefitra fony Aho namoaka anareo hiala tany Ejipta.»
Toy ny hazo paoma anankiray eo anivon’ireo hazo anaty saha, dia toy izany ity malalako eo anivon’ireo zatovolahy. Ka mahafinaritra ahy ny mipetraka eo ambany alokalon’io hazo paoma io, sady mamy ao am-bavako ny voany.
Izy koa, tatỳ an-taniefitra, no namahana anareo tamin’ny mana, izay hanina tsy fantatry ny razanareo; nampanetry tena anareo sy nizaha toetra anareo Izy mba hahasambatra anareo rahatrizay.
Rehefa nampanetry tena sy namela anareo ho noana Izy, dia namahana anareo tamin’ny mana izay hanina tsy fantatrareo na ny razanareo; tiany hampahalalaina anareo manko fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay teny rehetra aloaky ny vavan’ny TOMPO.