Tamin’ny alalan’i Mosesy mpanomponao no nampahalalanao azy ny Sabata izay andro voatokana ho Anao sy nanoloranao azy didy sy fepetra ary lalàna.
Eksodosy 16:25 - DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Mosesy taminy: –Hano izany anio, fa sabata ho an’ny TOMPO anio, ka tsy hahita an’ireny eny an-tsaha ianareo androany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy indray i Mosesy: Hano ireny anio fa Sabata ho an’NY TOMPO anio; tsy hahita ireny any an-tsaha ianareo anio. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Mosesy taminy: –Hano izany anio, fa sabata ho an’ny TOMPO anio, ka tsy hahita an’ireny eny an-tsaha ianareo androany. Baiboly Katolika Ary hoy i Môizy: «Hano anio izay, fa andro sabata fankalazana an’i Iaveh, ka anio ianareo tsy hahita eny an-tsaha. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an’i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha. Malagasy Bible Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an'i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha. La Bible en Malgache Hoy indray i Mosesy: Hano ireny anio fa Sabata ho an’NY TOMPO anio; tsy hahita ireny any an-tsaha ianareo anio. |
Tamin’ny alalan’i Mosesy mpanomponao no nampahalalanao azy ny Sabata izay andro voatokana ho Anao sy nanoloranao azy didy sy fepetra ary lalàna.
ka hoy i Mosesy hoe: –Izany indrindra no nandidian’ny TOMPO anareo. Rahampitso dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho an’ny TOMPO; koa andrahoy izay tokony handrahoina, ary ampangotrahy izay tokony hampangotrahina, fa ny ambiny kosa dia tehirizo ho tra-maraina.
Dia navahan’izy ireo hotahirizina mandra-maraina ny ambiny araka izay nodidian’i Mosesy, nefa tsy maimbo na feno olitra.
Andro enina no ahazoanareo manangona sakafo; fa amin’ny andro fahafito, andro sabata, dia tsy hisy.
Fantaro tsara fa ny nanomezako anareo ny sabata dia ny mba hitsaharanareo. Izany no antony anomezako mofo sahaza ny indroa andro amin’ny andro fahenina; ka amin’ny andro fahafito dia samia mitoetra ao an-tranony avy, fa aoka tsy hisy olona hiala tao.