Noho ny fandrahonan’ny TOMPO mbamin’ny fifofofofon’ny hatezerany, dia niseho ny fanambanin’ny ranomasimbe, niharihary ny fanorenan’izao tontolo izao.
Eksodosy 15:8 - DIEM PROTESTANTA Noho ny hamafin’ny fofonainao dia nisavovona ny ranobe; nivangongo toa rindrina ny onjan-drano; teo amin’ny fanambanin’ny ranomasina no nifitsaka ny alon-drano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fofonain’ny vavoronao no nampivangongo ny rano; nijoro toy ny antontan-javatra ny rano mikoriana; nivaingana teo afovoan’ny ranomasina ny rano lalina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noho ny hamafin’ny fofonainao dia nisavovona ny ranobe; nivangongo toa rindrina ny onjan-drano; teo amin’ny fanambanin’ny ranomasina no nifitsaka ny alon-drano. Baiboly Katolika Noho ny fofon’ain’ny vavoronao, Niangona niavosa ny rano, Niantsavovona ny onjan-drano; Raikitra nandry tao anaty mason-dranomasina ny alon-drano. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fofonain’ny vavoronao no nanangonanao ny rano; Nivongovongo toy ny antontan-javatra ny rano maria; Nandry teo afovoan’ny ranomasina ny lalina. Malagasy Bible Ary ny fofonain'ny vavoronao no nanangonanao ny rano; nivongovongo toy ny antontan-javatra ny rano maria; nandry teo afovoan'ny ranomasina ny lalina. La Bible en Malgache Ny fofonain’ny vavoronao no nampivangongo ny rano; nijoro toy ny antontan-javatra ny rano mikoriana; nivaingana teo afovoan’ny ranomasina ny rano lalina. |
Noho ny fandrahonan’ny TOMPO mbamin’ny fifofofofon’ny hatezerany, dia niseho ny fanambanin’ny ranomasimbe, niharihary ny fanorenan’izao tontolo izao.
Ny fofonain’Andriamanitra no andringanana azy; ny fahatezerany no toa rivo-mahery mahalevona azy;
nosarahiny ny ranomasina mba hampitany azy ireo, nasainy nivangongo ny rano ho tahaka ny fefiloha;
Fa ny Israelita kosa dia niampita ny ranomasina nandia tany maina, fa ny rano dia nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany.
fa hitsara ny malahelo ara-drariny ary hamoaka didy araka ny hitsiny ho an’ny mahantra eo amin’ny tany. Ny teniny no toy ny tsorakazo hikapohany ny tany ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny olon-dratsy.
Fa indro Aho hanoro hevitra azy hiverina any amin’ny taniny, rehefa handre siosio izy; ary any no hampamonoako azy ho fatin-tsabatra.»
Nahita Anao ny tendrombohitra ka tora-kovitra; mandrotsaka orambe ny rahona, mirohondrohona ny ranomasimbe ka manainga onja hatreny amin’ny lanitra.
Ny nanokafanao lalana dia teo anivon’ny ranomasina; ny soavalim-pahavalo kosa tafahitsoka tao amin’ny fisamboaravoaran’ny onja mahery.
Ary rehefa hiseho ilay mpanao ratsy, dia ny fofonaina avy amin’ny vavan’i Jesoa Tompo no hahafaty azy ary ny fiavian’i Jesoa amim-boninahitra no hanafoana azy.
Raha vao mandroboka tongotra ao anaty rano ireo mpisorona mitondra ny Vatamasin’ny TOMPO, dia ho tapaka ny ranon’i Jôrdàna: hijanona ny rano avy any ambony ka hisavovona toy ny antontan-javatra.
dia nijanona ny rano avy any ambony ka nisavovona toy ny antontan-javatra terỳ lavitra terỳ, dia terỳ amin’ny tanàna Adama izay takaikin’ny tanàna Tsaratàna; ary ny rano ambany izay nikoriana ho any amin’ny Ranomasina Maty kosa dia ritra tanteraka, hany ka afaka niampita tandrifin’i Jerikao ny vahoaka.