Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 14:3 - DIEM PROTESTANTA

Dia hiteny ny Farao hoe: «voan’ny tamberintany ny Israelita, ka voahidin’ny taniefitra.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hilaza amin’ny olony i Farao hoe: Azon’ny tamberin-tany izy ka voahidin’ny tany efitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hiteny ny Farao hoe: «voan’ny tamberintany ny Israelita, ka voahidin’ny taniefitra.»

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia izao no ho filazan’i Faraôna ny zanak’i Israely: «Very lalana any ho any izy ireo ka tafahitsoka any an’efitra.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Farao hilaza ny Zanak’Isiraely, hoe: Azon’ny tamberintany izy ka voahidin’ny efitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Farao hilaza ny Zanak'Isiraely hoe: Azon'ny tamberintany izy ka voahidin'ny efitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hilaza amin’ny olony i Farao hoe: Azon’ny tamberin-tany izy ka voahidin’ny tany efitra.

Jereo ny toko



Eksodosy 14:3
15 Rohy Ifampitohizana  

Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana; elabe mialoha, dia efa tsinjonao ny hevitro.


Tsy mbola eo am-bavako akory ny teny holazaiko, dia indro efa fantatrao avokoa, TOMPO ô.


TOMPO ô, akory ity hamaroan’ny fahavaloko! Maro loatra ny olona mitsangan-kanohitra ahy;


Hoy ireo hoe: «Nafoin’Andriamanitra io ka enjeho; sambory fa tsy misy mpanafaka.»


–Ilazao ny Israelita mba hiverina hitoby ao akaikin’i Pi-Hahirôta eo anelanelan’i Migdôla sy ny ranomasina. Ao no hanorenanareo toby, mifanatrika amin’i Bahala-Tsefôna, eo akaikin’ny ranomasina.


Ary hanamafy fo ny Farao Aho, dia hanenjika anareo izy. Kanefa hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny tafiny manontolo, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no TOMPO. Notanterahin’ny Israelita izany araka ny torolalana.


«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ianao no ilay nambarako hatry ny fahiny elabe, fony Aho nandidy ireo mpanompoko, dia ny mpaminanin’i Israely, hilaza ny hafatro nandritra ny taona maro; ianao no nasaiko tonga hamely ny fireneny.


Notanterahin’izy ireo izay efa notendrenao rahateo tamin’ny herinao sy ny fikasanao.


Rehefa hianjadian’ny zava-dratsy amam-pahoriana maro ity vahoaka ity, dia ho vavolombelona hiampanga azy izao tononkira izao, satria tsy ho afaka eo am-bavan’ny taranany. Fantatro manko ny fisainany, na dia izao ankehitriny alohan’ny hitondrako azy any amin’ny tany izay nianianako homena azy izao aza.


Fantatry ny mponina fa tonga tao i Samsôna; dia nanao fiambenana tokoa ny Gazita sady nitily azy teo am-bavahadin’ny tanàna nandritra ny alina manontolo. Saingy tsy niraika izy ireo tamin’io alina manontolo io fa nanao anakampo hoe: «Aoka handrasantsika hazava ny maraina, vao hovonointsika izy!»


Ataovy fantatra avokoa izay toerana rehetra mety iafenany, dia miverena atỳ amiko rehefa tena azonareo antoka, fa hiaraka aminareo aho. Raha mbola eto amin’ny faritany koa iny, dia hosavako avokoa ny isam-pianakaviamben’i Joda mba hahitako azy.


Vao fantatr’i Saoly fa tafiditra tao Kehilà i Davida, dia hoy izy hoe: –Efa natolotr’Andriamanitra eto an-tanako izy, fa namandri-tena niditra an-tanàna mihidy vavahady.