Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 13:6 - DIEM PROTESTANTA

Mandritra ny fito andro no hihinananareo mofo tsy misy leviora, ary ny andro fahafito no hanaovanareo fety firavoravoana ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin’ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mandritra ny fito andro no hihinananareo mofo tsy misy leviora, ary ny andro fahafito no hanaovanareo fety firavoravoana ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy lalivay, ary amin’ny andro fahafito hisy fety fankalazana an’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin’ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin'ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin’ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko



Eksodosy 13:6
6 Rohy Ifampitohizana  

Ny Israelita izay tao Jerosalema dia nankalaza tamin-kafaliana lehibe nandritra ny herinandro izany fetin’ny mofo tsy misy leviora izany; isan’andro ny levita sy ny mpisorona no nidera ny TOMPO nombàn’ny zava-maneno mafy feo mba ho fanajana AZY.


«Ankalazao ny fetin’ny mofo tsy misy leviora; mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Fa volana Abiba toy izany no nialanareo tany Ejipta.


Isan’andro mandritra ireo andro fito ireo, dia sorona levonina amin’ny afo no haterinareo ho AHY. Ary ny andro fahafito, dia hisy indray fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.»


Mandritra ny enina andro no hihinananareo mofo tsy misy leviora; fa amin’ny andro fahafito, dia hisy fivoriana famaranana manetriketrika ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hanao raharaha ianareo amin’izany.


Ny ampitson’ny Paska dia nihinana mofo tsy misy leviora sy lango avy amin’ny vokatry ny tany izy.