Tsy raikitra izany. Ianareo lehilahy no aoka handeha hanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO, fa izay ihany no tadiavinareo. Dia noroahina hiala teo anatrehan’ny Farao izy roa lahy.
Eksodosy 10:6 - DIEM PROTESTANTA Ho feno valala ny lapanao sy ny tranon’ny mpanomponao mbamin’ny an’ny Ejiptianina rehetra. Loza tsy mbola fahita ny toy izany hatramin’ny andron’ny razanao ka mandraka androany». Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy ka lasa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 hameno ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao rehetra ary ny tranon’ny Ejiptiana rehetra ireny. Tsy mbola hitan’ny rainao na ny raibenao ny toy izany hatrizay andro niainany tetỳ ambonin’ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin’i Farao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ho feno valala ny lapanao sy ny tranon’ny mpanomponao mbamin’ny an’ny Ejiptianina rehetra. Loza tsy mbola fahita ny toy izany hatramin’ny andron’ny razanao ka mandraka androany». Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy ka lasa. Baiboly Katolika ho hipoka azy avokoa ny tranonao sy tranon’ny mpanomponao, ary ny an’ny Ejiptianina rehetra. Tsy mbola nisy nahita loza toy izany na ny rainao na ny raibenao, hatrizay nisiany tetỳ ambonin’ny tany, ka mandrak’ankehitriny.» Dia lasa Môizy, ka niala teo amin’i Faraôna. Baiboly Protestanta Malagasy dia hameno ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao rehetra ary ny tranon’ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan’ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr’izay andro niainany tetỳ ambonin’ny tany ka mandraka andro-any. Dia nihodina izy ka niala teo amin’i Farao. Malagasy Bible dia hameno ny tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao rehetra ary ny tranon'ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan'ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr'izay andro niainany tetỳ ambonin'ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin'i Farao. La Bible en Malgache hameno ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao rehetra ary ny tranon’ny Ejiptiana rehetra ireny. Tsy mbola hitan’ny rainao na ny raibenao ny toy izany hatrizay andro niainany tetỳ ambonin’ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin’i Farao. |
Tsy raikitra izany. Ianareo lehilahy no aoka handeha hanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO, fa izay ihany no tadiavinareo. Dia noroahina hiala teo anatrehan’ny Farao izy roa lahy.
Hanako eran’i Ejipta ny fidradradradrana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy, sady tsy hisy ho toa azy intsony.
Ary ireto mpanomponao ireo dia ho avy hiankohoka eo anatrehako sady hiteny hoe: «Mandehana any ianao sy ny vahoakanao!» Dia handeha miaraka amin’izay aho. Dia niala tao amin’ny Farao i Mosesy sady feno hatezerana.
Nampiantso an’i Mosesy sy i Aharôna ny Farao ka niteny hoe: –Mandehana manatitra sorona amin’ny Andriamanitrareo, kanefa eto amin’ny tany ihany!
Mba nanao toy izany tamin’ny fankatoavany koa ireo mpimasy: nampiakariny ho amin’ny tany Ejipta koa ny sahona.
Noho izany, rahampitso amin’ny ora toy izao aho dia hampilatsaka havandra be dia be izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny andro niorenan’ny Ejipta ka mandraka androany.›
Dia nisy havandra niaraka amin’ny tafiotra sy ny varatra, ka tsy mbola nisy havandra be toy izany manerana Ejipta manontolo hatramin’izay nahafirenena azy.
Ho andro maizina tanteraka rakofan-drahona sy zavona izany. Indro avy ny tafiky ny bibikely, andiany marobe sady matanjaka, ary tahaka ny aloka mandrakotra ny tendrombohitra; tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay sady tsy hisy toy izany intsony any aoriany.
Mamakivaky ny tanàna izy, mihazakazaka eny amin’ny manda; mianika ny trano izy ary miditra eo am-baravarankely toy ny mpangalatra.
Finoana no nandaozan’i Mosesy an’i Ejipta ka tsy natahorany izay hatezeran’ny mpanjaka; fa naharitra tamin’ny fanapahan-keviny izy, toy ny nahita maso an’ilay Andriamanitra tsy hita.