Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 1:8 - DIEM PROTESTANTA

Mpanjaka vaovao kosa no nanomboka nanjaka tany Ejipta tamin’izay ka tsy nahalala an’i Jôsefa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Ejipta, izay tsy nahafantatra an’i Josefa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mpanjaka vaovao kosa no nanomboka nanjaka tany Ejipta tamin’izay ka tsy nahalala an’i Jôsefa.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa nisy kosa mpanjaka vaovao, tsy nahalala an’i Josefa, nanjaka tamin’i Ejipta.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an’i Josefa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Ejipta, izay tsy nahafantatra an’i Josefa.

Jereo ny toko



Eksodosy 1:8
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny fon’ireo Ejiptianina novany hankahala ny vahoakany sy hanao kendry tohina amin’ireo mpanompony.


Mandehana, vorio ny loholon’i Israely ka ilazao hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no efa niseho tamiko ka nilaza fa nitsinjo anareo sy nahita ny fomba afitsoka anareo atỳ Ejipta;


Ary hoy ny TOMPO hoe: –Efa hitako tokoa ny fahorian’ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan’ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany.


Ankehitriny dia efa tonga eto amiko ny fitarainan’ny Israelita, ary efa hitako koa ny fahoriana izay ampijalian’ny Ejiptianina azy.


Nisy lehilahy iray mahantra nefa hendry tao, izay afaka nahavonjy ny tanàna noho ny fahendreny. Saingy tsy mba nisy olona nahatsiaro ilay olo-mahantra.


Avy eo nisy mpanjaka hafa nijoro tany Ejipta, dia mpanjaka tsy mba nahalala an’i Jôsefa.


Fetsy ratsy tamin’ny firenentsika io mpanjaka io ary tsy nifaditrovana tamin’ny razantsika ka nanery azy ireo hanary ny zazalahy vao teraka mba tsy hahavelona azy ireny.


Ratsy fitondra anay ny Ejiptianina ka nampahory anay sy nampanao anay fanompoana mafy.


Ary rehefa tapitra maty avokoa izany taranaka izany ka voaangona any amin’ny razany, dia taranaka hafa indray no nandimby azy, taranaka izay tsy nahalala akory ny TOMPO sy ny asa nataony ho an’i Israely.