Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny fitiavany amin’izay manaja Azy;
Eksodosy 1:20 - DIEM PROTESTANTA Noho izany, dia nihamaro hatrany hatrany ireo Israelita sady nihanahery tokoa. Nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona; ary nihamaro sy nihanahery indrindra ny olona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noho izany, dia nihamaro hatrany hatrany ireo Israelita sady nihanahery tokoa. Nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona, Baiboly Katolika Koa ny mpampivelona nasian’Andriamanitra soa, ary ny vahoaka nihamaro sy nihanahery fatratra. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nasian’Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona. Malagasy Bible Dia nasian'Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona. La Bible en Malgache Dia nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona; ary nihamaro sy nihanahery indrindra ny olona. |
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny fitiavany amin’izay manaja Azy;
Te hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho, ka hialoka sy hiery eo ambany elatrao. Fiatoana
Te hihaino izay lazain’Andriamanitra TOMPO aho. Fiadanana tokoa no ampanantenainy ho an’ny vahoakany, dia ireo mpivavaka aminy, raha tsy miverina amin’ny hadalàny intsony ireo.
Kanefa arakaraka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nahazoany vahana ka natahoran’ny Ejiptianina azy.
Fa namaly ireo mpampivelona hoe: –Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptianina ireo vehivavy hebreo fa matanjaka; koa raha tsy mbola tonga akory ny mpampivelona, dia efa teraka izy.
Taorian’izany dia niteraka betsaka ny Israelita ka nihamaro fatratra sady nihanahery tokoa ka nameno ny tany.
Karama manodoka no raisin’ny olon-dratsy; fa valisoa azo antoka no an’izay mamafy fahamarinana.
Izay manome ny mahantra dia mampisambotra ny TOMPO, fa Izy ihany no hanonitra ny soa nataon’ilay mpiantra.
Mety ho mpanao ratsy an-jatony ny mpanota iray, kanefa dia ela velona ihany. Fantatro kosa ny hoe: «Izay manaja an’Andriamanitra ihany no ho sambatra, dia ireo manaja Azy tokoa.
ary lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hanome rano mangatsiaka, na eran’ny kaopy ihany aza, hosotroin’ny anankiray amin’ireo mpianatro madinika ireo noho izy mpianatro, dia tsy ho diso valisoa.
Dia hovalian’ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto havako madinika indrindra ireto no nataonareo tamiko.»
Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin’ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo.