Ny hafetsen’ny hendry ihany no amandrihany azy, ary ataony maty momoka ny tolo-tsainy.
Eksodosy 1:10 - DIEM PROTESTANTA Koa tsy maintsy itadiavana tetika hamerana ny isany. Rehefa misy ady manko, dia homba ireo fahavalontsika izy ka hiady amintsika ary hiala ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Andeha hitadiavantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, koa raha toa ka misy ady dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika ary hiakatra hiala amin’ny tany izy ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa tsy maintsy itadiavana tetika hamerana ny isany. Rehefa misy ady manko, dia homba ireo fahavalontsika izy ka hiady amintsika ary hiala ny tany. Baiboly Katolika Ka andeha ataovy izay hiarovantsika tena aminy, fandrao mitombo izy; ary raha misy ady tonga tampoka, dia hikambana amin’ny fahavalo hamely antsika izy dia hivoaka hiala amin’ny tany.» Baiboly Protestanta Malagasy andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tàhiny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin’ny tany. Malagasy Bible andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin'ny tany. La Bible en Malgache Andeha hitadiavantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, koa raha toa ka misy ady dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika ary hiakatra hiala amin’ny tany izy ireo. |
Ny hafetsen’ny hendry ihany no amandrihany azy, ary ataony maty momoka ny tolo-tsainy.
Mirehaka erỳ ny olon-dratsy mitsentsitra ny malahelo; tamina tetika maty paika no namelezany azy ireo.
Ny fon’ireo Ejiptianina novany hankahala ny vahoakany sy hanao kendry tohina amin’ireo mpanompony.
ka ilazany hoe: «Andao hiaraka aminay; aoka isika hanotrika handatsa-dra, ka hotampohintsika tsy ahoan-tsy ahoana hatramin’ny olon-tsy manan-tsiny aza.
Misy toetra heverin’ny olona ho mahitsy kanjo mankany amin’ny fahafatesana no iafarany.
Ny fahendren’olombelona sy ny fahaizana amam-pisainany dia maivana eo anatrehan’ny TOMPO.
Koa mba tongava atỳ re ianao hanozona io vahoaka io, fa mahery noho izaho izy; angamba haharesy azy aho amin’izay ka haharoaka azy hiala amin’ny tany. Satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatsodrano ary izay ozoninao dia voaozona.»
Ny ampitso maraina, dia nioko ny Jiosy sasantsasany ka nanao velirano fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa nahafaty an’i Paoly.
Fetsy ratsy tamin’ny firenentsika io mpanjaka io ary tsy nifaditrovana tamin’ny razantsika ka nanery azy ireo hanary ny zazalahy vao teraka mba tsy hahavelona azy ireny.
Tezitra tamin’i Akisy ireo filohan’ny Filistinina ka nanao taminy hoe: –Roahy any io lehilahy io hiverina any amin’ny tanàna izay efa nomenao hitoerany. Aza avela hidina hiara-kiady amintsika izy, fandrao dia isika indray no hifoterany rehefa miady. Fa inona moa no hahazoany sitraka amin’i Saoly tompony, raha tsy ny fanolorany azy ny lohan’ireo olontsika?