Nony efa hilentika ny masoandro, dia renoky ny torimaso lalina i Abrama, ka indro nisy haizina lehibe mampatahotra nanarona azy.
Daniela 8:18 - DIEM PROTESTANTA Raha mbola niteny tamiko izy, dia nihohoka tamin’ny tany ihany aho sady safotra; fa nanohina ahy izy ary nampitsangana ahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha niresaka tamiko izy dia renoky ny torimaso teo amin’ny tany aho; fa nanohina ahy izy ka nampitsangana ahy teo amin’izay nisy ahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha mbola niteny tamiko izy, dia nihohoka tamin’ny tany ihany aho sady safotra; fa nanohina ahy izy ary nampitsangana ahy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha niresaka tamiko izy, dia renoky ny torimaso teo amin’ny tany aho; fa izy nanohina nampitsangana ahy. Malagasy Bible Ary raha niresaka tamiko izy, dia renoky ny torimaso teo amin'ny tany aho; fa izy nanohina nampitsangana ahy. La Bible en Malgache Ary raha niresaka tamiko izy dia renoky ny torimaso teo amin’ny tany aho; fa nanohina ahy izy ka nampitsangana ahy teo amin’izay nisy ahy. |
Nony efa hilentika ny masoandro, dia renoky ny torimaso lalina i Abrama, ka indro nisy haizina lehibe mampatahotra nanarona azy.
Noho ny eritreritra misafotofoto vokatry ny nofy amin’ny alina raha sondrian-tory ny olona,
Fa raha mbola niteny izany ilay feo, dia niditra tao amiko ny Fanahin’Andriamanitra ka nampitsangana ahy; dia nihaino Ilay niteny tamiko aho,
Fa indro nisy anankiray nanana endrik’olombelona nanendry ny molotro; dia nanoka-bava aho ka niteny tamin’ilay nitsangana teo anilako hoe: ‹Noho ny fahitana, tompoko, dia nitebiteby aho ka tsy nanan-kery intsony.
Dia nanatona ilay toerana nijoroako i Gabriela; ka rehefa tonga izy, dia natahotra aho ka nikarapoka tamin’ny tany. Fa hoy izy tamiko: ‹Aoka ho fantatrao, ry ilay taranak’olombelona, fa iny fahitana iny dia momba ny fiafaran’ny fotoana.›
Ary izaho Daniela dia reraka sy nandraiki-narary andro vitsivitsy. Avy eo dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan’ny mpanjaka. Gaga tamin’izany fahitana izany aho satria tsy no fantatro ny heviny.
Nony nitsangana avy nivavaka i Jesoa, dia nankeo amin’ny mpianany, ka nahita azy ireo natory noho ny alahelo.
Sondrian-tory kosa i Petera sy ny namany, nefa mba taitra ihany ka nahita an’i Jesoa heni-boninahitra sy nahita azy roa lahy izay teo aminy.
Ankehitriny kosa mitsangana hotsaraina eto aho, satria manantena ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra ny razanay.
Vao nahita ny Zanak’olona aho, dia lavo niankohoka toy ny maty teo anoloan’ny tongony. Fa nametraka teo amboniko ny tanany ankavanana Izy ka nanao hoe: –Aoka izay ny tahotra! Izaho no Voalohany sy Farany,