Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 7:23 - DIEM PROTESTANTA

Izao no nambarany: «Ny biby fahefatra dia fanjakana fahefatra eto an-tany izay hafa noho ireo fanjakana rehetra, fa hihinana ny tany tontolo izy ka hanosihosy sady hanorotoro azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no nolazainy: Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin’ny tany izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra, sady handrava ny tany rehetra no hanosihosy sy hanorotoro azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izao no nambarany: «Ny biby fahefatra dia fanjakana fahefatra eto an-tany izay hafa noho ireo fanjakana rehetra, fa hihinana ny tany tontolo izy ka hanosihosy sady hanorotoro azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izao no nolazainy: Ilay fahefatra amin’ny biby dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin’ny tany, izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izao no nolazainy: Ilay fahefatra amin'ny biby dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin'ny tany, izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no nolazainy: Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin’ny tany izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra, sady handrava ny tany rehetra no hanosihosy sy hanorotoro azy.

Jereo ny toko



Daniela 7:23
5 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy tahaka ny vy. Tahaka ny anorotoroan’ny vy sy anapotehany ary anamontsanany ny zavatra rehetra no hanorotoroan’io fanjakana io sy hanamontsanany ireo fanjakana rehetra talohany.


ambara-piavin’ilay Antidahy ka nanomezany rariny an’ilay vahoakan’ny Avo Indrindra. Rehefa tonga ny fotoanandro, dia ho azon’io vahoaka io ny fanjakana.


Ary ny tandroka folo dia mampiseho mpanjaka folo izay hifandimby hifehy io fanjakana io; ary hisy mpanjaka iray hafa noho ireo teo alohany hitsangana manaraka an’ireo, rehefa avy handresy mpanjaka telo.


Taorian’izany dia mbola nijery ny fahitako tamin’ny alina ihany aho ka indro nisy biby fahefatra mahatahotra sy mahatsiravina sady matanjaka aoka izany. Nanana nify vy lehibe izay nihinanany sy namiravirany izy, fa izay sisa tsy laniny dia nohoseny; ary hafa noho ireo biby rehetra teo alohany izy fa nanana tandroka folo.


Tamin’izany andro izany, dia namoaka didy ny amperôra Aogosta hampanao fanisàm-bahoaka eran’ny fanjakana rômanina.