Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 6:12 - DIEM PROTESTANTA

Dodona erỳ ireo lehilahy ireo nitsikilo ka nahita an’i Daniela nivavaka sy nitalaho tamin’ny Andriamaniny;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo rehefa nahita an’i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan’Andriamaniny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dodona erỳ ireo lehilahy ireo nitsikilo ka nahita an’i Daniela nivavaka sy nitalaho tamin’ny Andriamaniny;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo ka nahita an’i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan’Andriamaniny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo ka nahita an'i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan'Andriamaniny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo rehefa nahita an’i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan’Andriamaniny.

Jereo ny toko



Daniela 6:12
7 Rohy Ifampitohizana  

Koa raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka hisy didy havoakanao hisakanana an’i Vastỳ tsy hiseho eo anatrehanao intsony ary hanomezana ny voninahitra maha mpanjakavavy ho ana vehivavy hafa mendrika izany kokoa noho izy; izany didy izany dia hosoratana ao amin’ny lalànan’i Persia sy i Media ka tsy ho azo ovàna.


Nalahelo mafy ny mpanjaka raha nandre izany zavatra izany; dia nisaintsaina ny hanavotra an’i Daniela izy ary nitady izay hamonjena azy mandra-pilentiky ny masoandro.


Ny mpitantan-draharaha ambony ato amin’ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solotenan’andriamanjaka sy ny mpanolotsaina ary ny governora dia nifanaraka fa tokony hamoaka lalàm-panjakana ianao, ry mpanjaka, fa ato anatin’ny telopolo andro, na iza na iza manao fivavahana na amin’Andriamanitra na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.


Nony hitan’ny tompony fa tsy anantenana fahazoam-bola intsony ity mpanompovaviny, dia ry i Paoly sy i Silasy no nosamboriny ka notaritaritiny hankeo an-kianja hiatrika ny manampahefana.


Vao azon’ny mpiambina izany baiko izany, dia nampidiriny tao am-ponja anatiny indrindra izy roa lahy ary nasiany boloky hazo ny tongony.