Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 6:1 - DIEM PROTESTANTA

Ary i Dariôsa, ilay Medianina, no nandray ny fanjakana teo amin’ny faha-62 taonany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

I Dariosy mediana no nandray ny fanjakana ka efa roa amby enimpolo taona izy tamin’izay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary i Dariôsa, ilay Medianina, no nandray ny fanjakana teo amin’ny faha-62 taonany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

I Dariosy mediana no nandray ny fanjakana ka efa roa amby enimpolo taona izy tamin’izay.

Jereo ny toko



Daniela 6:1
9 Rohy Ifampitohizana  

Ity tantara ity dia nitranga tamin’ny andron’ny amperôra Kserksesa, izay nanjaka tamina faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiôpia.


Entano ny firenena maro hamely azy, indrindra fa ny mpanjakan’i Medianina, ny governora rehetra sy ny lefiny ary ny faritany manontolo izay iadidiany.


Fa izaho tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariôsa, ilay Medianina, dia nitsangana teo anilan’i Mikaela ka nampahery sy nanohana azy.


Avy eo izy dia nampamory ny solotenan’andriamanjaka, ny mpifehy faritany, ny governora, ny mpanolotsaina, ny mpitahiry volam-panjakana, ny mpahay lalàna sy ny mpitsara, ary ny mpiasam-panjakana hafa rehetra isam-paritany, mba ho avy hitokana ilay sarivongana efa nasain’i Nebokadnetsara mpanjaka natsangana.


Sitrak’i Dariôsa ny hanendry solotenan’andriamanjaka 120 izay hanapaka manerana ny fanjakana.


Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariôsa zanakalahin’i Kserksesa, avy amin’ny taranaky ny Medianina, izany hoe tamin’ny taona voalohany nanjakany tamin’ny fanjakana babilônianina,


na ireo mpifehy izany, satria nirahin’ny filoham-pirenena izy mba hanasazy ny mpanao asa ratsy ary mba hidera ny mpanao asa soa.