Daniela 5:21 - DIEM PROTESTANTA Noroahina hiala teo amin’ny olombelona izy, nanam-pironana tahaka ny an’ny biby, niara-nonina tamin’ny borikidia ary nihinana ahitra toy ny omby; sady kotsan’ny ando ny tenany, ambara-piekeny fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ary manendry izay tiany hanjaka aminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia noroahina niala tamin’ny zanak’olombelona izy, ny fony dia natao tahaka ny an’ny biby, ary tany amin’ny borikidia no fonenany; nampihinanina ahitra toy ny omby izy ary kotsan’ny andon’ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no mitondra ny fanjakan’ny olona ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noroahina hiala teo amin’ny olombelona izy, nanam-pironana tahaka ny an’ny biby, niara-nonina tamin’ny borikidia ary nihinana ahitra toy ny omby; sady kotsan’ny ando ny tenany, ambara-piekeny fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ary manendry izay tiany hanjaka aminy. Baiboly Protestanta Malagasy dia noroahina niala tamin’ny zanak’olombelona izy; ary ny fony natao tahaka ny an’ny biby, ary ny fonenany tany amin’ny boriki-dia, dia nampihinanina ahitra toy ny omby izy, ary kotsan’ny andon’ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona, ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany. Malagasy Bible dia noroahina niala tamin'ny zanak'olombelona izy; ary ny fony natao tahaka ny an'ny biby, ary ny fonenany tany amin'ny boriki-dia, dia nampihinanina ahitra toy ny omby izy, ary kotsan'ny andon'ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona, ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany. La Bible en Malgache Dia noroahina niala tamin’ny zanak’olombelona izy, ny fony dia natao tahaka ny an’ny biby, ary tany amin’ny borikidia no fonenany; nampihinanina ahitra toy ny omby izy ary kotsan’ny andon’ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no mitondra ny fanjakan’ny olona ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany. |
Amin’izay dia ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho no TOMPO. Kapaiko ny hazo avo loatra ary ampaniriko ny kely indrindra. Hataoko maina ny hazo maitso milenodenoka, ka homeko aina indray ireo hazo efa maina. Izaho TOMPO no manambara sady manatanteraka izany.»
«Didin’ireo anjely fatra-piahy no anaovana izany zavatra izany mba hahafantaran’ny velona fa ilay Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ka manome izany ho an’izay tiany; ary mety ny olona farany ambany aza no asandrany eo.
Nahita hazo iray lehibe sy matanjaka ianao, ka ny haavony nahatakatra ny lanitra; ary tazana hatrany amin’ny tany tontolo izy.
Horoahina hiala amin’ny olombelona ianao, dia hiara-mipetraka amin’ny biby eny an-tsaha, hihinana ahitra tahaka ny omby ary ho kotsan’ny ando! Fito taona no haharetan’izany aminao, mandra-piekenao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ka manome izany ho an’izay tiany.
Nony afaka roa ambin’ny folo volana dia nitsangantsangana teo an-tampon-tranon’ny lapany tao Babilôna ny mpanjaka;
Koa ankehitriny, izaho Nebokadnetsara dia midera sy mankalaza ary manome voninahitra ilay Mpanjakan’ny lanitra; fa marina izay ataony rehetra, mahitsy ny asany rehetra. Ary hainy aetry aza izay mitondra tena amim-piavonavonana.
Ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra no efa nahatonga an’i Nebokadnetsara rainao ho mpanjaka lehibe heni-boninahitra sy laza.