Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 5:1 - DIEM PROTESTANTA

Nanao fanasam-be ho an’ny olo-manan-kajany miisa arivo i Belsatsara mpanjaka, ka nisotro divay teo anatrehany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanao fanasana lehibe ho an’ny mpanolotsainany arivo lahy i Belsazara mpanjaka, ary teo anatrehan’ireny no nisotroany divay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanao fanasam-be ho an’ny olo-manan-kajany miisa arivo i Belsatsara mpanjaka, ka nisotro divay teo anatrehany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

BELSAZARA mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an’ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan’ireny no nisotroany divay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Belsazara mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an'ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan'ireny no nisotroany divay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanao fanasana lehibe ho an’ny mpanolotsainany arivo lahy i Belsazara mpanjaka, ary teo anatrehan’ireny no nisotroany divay.

Jereo ny toko



Daniela 5:1
11 Rohy Ifampitohizana  

Nony afaka telo andro, dia nitsingerina ny andro nahaterahan’ny Farao, ka nanao fanasam-be ho an’ireo mpanompony rehetra izy. Koa teo anivon’ireo mpanompony no nanehoan’ny Farao an’ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro sy ilay lehiben’ny mpanao mofo.


Tamin’izany andro izany dia niantso anareo ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao mba hitomany sy hitoloko, hanaratra volon-doha sy hitondra lamba fisaonana.


Koa ny TOMPOn’izao rehetra izao dia mampandre ahy ny hafatra hoe: «Mianiana Aho fa mandra-pahafatinareo dia tsy havelako mihitsy izany helokareo izany. Izaho Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no efa niteny.»


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Hisy ady hamely ny Babilônianina, mbamin’ny mponina ao an-drenivohitra sy ny mpitondrany ary ny olon-kendriny!


Raha mbola eo am-pilendalendana izy, dia efa manomana fanasana ho azy Aho: Homamoiko izy mba hiravoravo dia hatory mandrakizay, ka tsy hifoha intsony. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


«Homamoiko ireo mpitondra azy sy ny olon-kendriny, ireo governorany sy ny lefiny ary ireo maherifony. Hatory mandrakizay ireny ka tsy hifoha intsony, hoy ny teny hentitr’ilay Mpanjaka, izay antsoina hoe TOMPOn’izao rehetra izao.»


Tamin’io alina io ihany dia novonoina ho faty i Belsatsara mpanjakan’i Babilôna.


Tahaka ny tsilo misafotofoto ry zareo izay miboboka mandra-pahamamony ka ho levon’ny afo toy ny ahi-maina.