Ny tanàna lehibe tao amin’ny fanjakany dia i Babèla sy i Ereka ary i Akada sy i Kalne ao amin’ny tany Sinehara.
Daniela 4:30 - DIEM PROTESTANTA Niaraka tamin’izay dia tanteraka tamin’i Nebokadnetsara izany teny izany: Noroahina niala tamin’ny olombelona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary kotsan’ny ando ny tenany, hany ka ny volon-dohany dia tonga lava toy ny an’ny voromahery ary ny hohony dia tonga nifaraingo toy ny an’ny vorona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izay indrindra no nahatanterahan’izany tamin’i Nebokadnezara, fa noroahina niala tamin’ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan’ny andon’ny lanitra ambara-panirin’ny volony ho toy ny an’ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an’ny vorona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niaraka tamin’izay dia tanteraka tamin’i Nebokadnetsara izany teny izany: Noroahina niala tamin’ny olombelona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary kotsan’ny ando ny tenany, hany ka ny volon-dohany dia tonga lava toy ny an’ny voromahery ary ny hohony dia tonga nifaraingo toy ny an’ny vorona. Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’izay indrindra no nahatanterahan’izany tamin’i Nebokadnezara; fa noroahina niala tamin’ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan’ny andon’ny lanitra ambara-panirin’ny volony ho toy ny an’ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an’ny vorona. Malagasy Bible Tamin'izay indrindra no nahatanterahan'izany tamin'i Nebokadnezara; fa noroahina niala tamin'ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan'ny andon'ny lanitra ambara-panirin'ny volony ho toy ny an'ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an'ny vorona. La Bible en Malgache Tamin’izay indrindra no nahatanterahan’izany tamin’i Nebokadnezara, fa noroahina niala tamin’ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan’ny andon’ny lanitra ambara-panirin’ny volony ho toy ny an’ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an’ny vorona. |
Ny tanàna lehibe tao amin’ny fanjakany dia i Babèla sy i Ereka ary i Akada sy i Kalne ao amin’ny tany Sinehara.
Nasehon’ny amperôra azy ny harena amam-boninahitry ny fanjakana ary ny harevaka aman-drentin’ny fahalehibiazany; ka enim-bolana no naharetan’izany lanonambe izany.
Nataon’i Davida. Aoka hisaotra ny TOMPO aho! TOMPO Andriamanitro ô, lehibe indrindra Ianao; fiandrianana sy famirapiratana no itafianao,
Setrin’ny fiavonavonana ny fahafaham-baràka; fa ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena.
I Babilôna, izay ravaky ny fanjakana sady tabiha sy reharehan’ny Babilônianina, dia horavàn’Andriamanitra tahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra.
Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Hirotsaka hamely anao Aho, ry Farao mpanjakan’i Ejipta, fa toy ny fanano goavana mamitsaka eo afovoan’ireo sakeli-dranon’i Neily ianao. Nolazainao fa anao io ony io satria ianao no namorona azy.
Rehefa tapitra ny fetr’andro, izaho Nebokadnetsara dia niandrandra ny lanitra; ka nody tamiko indray ny saiko. Nisaotra ny Avo Indrindra Izay velona mandrakizay aho, ary nidera sy nankalaza Azy fa ny fanapahany dia maharitra mandrakizay ary ny fanjakany dia mihatra amin’ny taranaka mifandimby.
Mitombo hafanampo izy, ka mbola manao heloka hatrany. Izany heriny izany no andriamaniny.
ka ny nanasa anareo ihany no ho avy hiteny aminao hoe: «Omeo an’ity olona ity ny toerana misy anao io»; izay ianao vao hangaihay hamonjy ny toerana farany indrindra.
Koa na mihinana na misotro ianareo, eny, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zavatra rehetra.
Toy izany koa ianareo mbola tanora fanahy, maneke ny loholona. Ary ianareo rehetra, samia mitafy fanetrentena ka mifanompoa, fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Toherin’Andriamanitra ny mpiavonavona fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.»
Nanaraka an’io dia nisy anjely faharoa nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, izay nampisotro ny firenena rehetra tamin’ny divainy, dia ny divain’ny fijangajangàny mihoa-pampana!»
Vaky ho telo toko ilay tanàna lehibe; rava ireo tanànan’ny firenena; tsy hadinon’Andriamanitra ny nanasazy an’i Babilôna lehibe, ka nomeny azy ny tsatokaty feno divay, dia ny divay manambara ny firehetam-pahatezeran’Andriamanitra.
ary nisy anarana voasoratra teo an-kandriny, dia anarana mifono hevi-miafina manao hoe: «Izaho no Babilôna lehibe, foiben’ny fijangajangana sy ny fanazimbazimbana eto ambonin’ny tany.»
Hijanona eny lavitra eny izy ireo, satria raiki-tahotra noho ny fanaintainana mianjady amin’i Babilôna, ka hanao hoe: «Indrisy! Indrisy! Ry Babilôna, tanàna lehibe, tanàna matanjaka! Satria tanaty adiny iray monja dia niharan’ny sazy ianao!»
Ary nisy anjely anankiray manan-kery, naka vato tahaka ny vato lehibe fikoseham-bary, dia nanipy azy tany an-dranomasina ka nanao hoe: «Hatsipy mafy toy izay i Babilôna, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony!