Koa hoy ny TOMPO hoe: «Tsy hitoetra mandrakariva ao amin’ny olona ny Fanahiko noho ny faniasiavany; amin’ny maha nofo azy dia ho 120 taona ny andro iainany.»
Daniela 4:29 - DIEM PROTESTANTA Horoahina hiala amin’ny olombelona ianao, dia hiara-mipetraka amin’ny biby eny an-tsaha, ary hihinana ahitra tahaka ny omby. Fito taona no haharetan’izany aminao, mandra-piekenao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’olombelona, ka manome izany ho an’izay tiany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Horoahina hiala amin’ny olona ianao ka ho any amin’ny bibidia no fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao ary fetrandro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no mitondra ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Horoahina hiala amin’ny olombelona ianao, dia hiara-mipetraka amin’ny biby eny an-tsaha, ary hihinana ahitra tahaka ny omby. Fito taona no haharetan’izany aminao, mandra-piekenao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’olombelona, ka manome izany ho an’izay tiany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa horoahina hiala amin’ny olona hianao, ka ho any amin’ny bibi-dia ny fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby hianao, ary fetr’andro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany. Malagasy Bible Fa horoahina hiala amin'ny olona ianao, ka ho any amin'ny bibi-dia ny fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao, ary fetr'andro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany. La Bible en Malgache Horoahina hiala amin’ny olona ianao ka ho any amin’ny bibidia no fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao ary fetrandro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no mitondra ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany. |
Koa hoy ny TOMPO hoe: «Tsy hitoetra mandrakariva ao amin’ny olona ny Fanahiko noho ny faniasiavany; amin’ny maha nofo azy dia ho 120 taona ny andro iainany.»
Fa tsy tanterahina eo no ho eo akory ny famaliana ny ratsy atao; dia izany no ikirizan’ny olona hanao ratsy.
«Didin’ireo anjely fatra-piahy no anaovana izany zavatra izany mba hahafantaran’ny velona fa ilay Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ka manome izany ho an’izay tiany; ary mety ny olona farany ambany aza no asandrany eo.
Horoahina hiala amin’ny olombelona ianao, dia hiara-mipetraka amin’ny biby eny an-tsaha, hihinana ahitra tahaka ny omby ary ho kotsan’ny ando! Fito taona no haharetan’izany aminao, mandra-piekenao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ka manome izany ho an’izay tiany.
Niaraka tamin’izay dia tanteraka tamin’i Nebokadnetsara izany teny izany: Noroahina niala tamin’ny olombelona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary kotsan’ny ando ny tenany, hany ka ny volon-dohany dia tonga lava toy ny an’ny voromahery ary ny hohony dia tonga nifaraingo toy ny an’ny vorona.
dia ireo fanahin’ny olona tsy nanaiky an’Andriamanitra, fony Andriamanitra nampiseho ny fahari-pony tamin’ny andro nanamboaran’i Noà ny sambofiara. Olona vitsy ihany anefa, dia i Noà valo mianaka, no tafiditra tao anaty sambofiara ka voavonjy tamin’ny rano.
Hevero fa ny fahari-pon’ny Tompontsika dia ho famonjena anareo, toy ny voasoratr’i Paoly hava-malalantsika taminareo araka ny fahendrena nomen’Andriamanitra azy.
Efa nomeko andro io vehivavy io hialany amin’ny toe-dratsiny, saingy tsy mety miala amin’ny fijangajangàny.