ary nangatahiny izy telo lahy mba hitalaho ny famindrampon’ilay Andriamanitry ny lanitra momba ity zava-miafina ity, ka mba tsy haringana miaraka amin’ireo olon-kendrin’i Babilôna sisa i Daniela sy ny namany.
Daniela 4:26 - DIEM PROTESTANTA Nony afaka roa ambin’ny folo volana dia nitsangantsangana teo an-tampon-tranon’ny lapany tao Babilôna ny mpanjaka; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony afaka roa amby folo volana dia nitsangantsangana teo an-tampon’ny tranony tao Babilona izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony afaka roa ambin’ny folo volana dia nitsangantsangana teo an-tampon-tranon’ny lapany tao Babilôna ny mpanjaka; Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony afaka roa ambin’ny folo volana, dia nitsangantsangana teo an-tampon’ny tranony tao Babylona izy. Malagasy Bible Ary nony afaka roa ambin'ny folo volana, dia nitsangantsangana teo an-tampon'ny tranony tao Babylona izy. La Bible en Malgache Nony afaka roa amby folo volana dia nitsangantsangana teo an-tampon’ny tranony tao Babilona izy. |
ary nangatahiny izy telo lahy mba hitalaho ny famindrampon’ilay Andriamanitry ny lanitra momba ity zava-miafina ity, ka mba tsy haringana miaraka amin’ireo olon-kendrin’i Babilôna sisa i Daniela sy ny namany.
Ary naseho an’i Daniela tamin’ny fahitana nandritra ny alina ilay zava-miafina; koa nidera an’ilay Andriamanitry ny lanitra izy.
Ry mpanjaka ô, ianao no mpanjakan’ny mpanjaka fa nomen’ilay Andriamanitry ny lanitra ho anao ny fanjakana sy ny hery ary ny tanjaka sy ny voninahitra.
«Izany no nofy hitako, izaho Nebokadnetsara mpanjaka; ary ianao, ry Beltesatsara, no milazà ny heviny, fa tsy nisy afaka nampahafantatra ahy ny heviny ireo olon-kendry rehetra tao amin’ny fanjakako; fa ianao kosa no afaka manao izany satria entanin’ny fanahin’ireo andriamanitra masina.› »
Ary ny baiko hamelana ny foto-kazo sy ny fakany kosa dia midika hoe: Haverina aminao ny fanjakanao rehefa miaiky ianao fa ilay Andriamanitry ny lanitra no manapaka.
Rehefa tapitra ny fetr’andro, izaho Nebokadnetsara dia niandrandra ny lanitra; ka nody tamiko indray ny saiko. Nisaotra ny Avo Indrindra Izay velona mandrakizay aho, ary nidera sy nankalaza Azy fa ny fanapahany dia maharitra mandrakizay ary ny fanjakany dia mihatra amin’ny taranaka mifandimby.
Kanjo nony niavonavona ny fony ary feno fireharehana ny fanahiny, dia naongana teo amin’ny seza fiandrianany izy ary nesorina taminy ny voninahiny.
Noroahina hiala teo amin’ny olombelona izy, nanam-pironana tahaka ny an’ny biby, niara-nonina tamin’ny borikidia ary nihinana ahitra toy ny omby; sady kotsan’ny ando ny tenany, ambara-piekeny fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ary manendry izay tiany hanjaka aminy.
Gaga ny mpianatra nahita izany ka vaky vava hoe: –Ahoana re no nahamaina vetivety io aviavy io?
Izaho kosa milaza aminareo hoe: aza mianiana mihitsy! Aza mianiana: na amin’ny lanitra, satria sezafiandrianan’Andriamanitra izany;
Ndeha hody any amin’i dada aho ka hilaza aminy hoe: Dada ô, nanota tamin’Andriamanitra sy taminao aho,
Dia hoy ity zanany taminy: «Dada ô, nanota tamin’Andriamanitra sy taminao aho, ka tsy mendrika intsony ny hatao hoe zanakao!»